Toa fanjakana manao lohamboto no misy eto

Andry Tsiavalona

Raha ny fihetsiky ny mpomba an’i Andry Nirina Rajoelina sy izy tenany mihitsy dia fanjakana jiolahimboto na manao lohamboto no misy eto Madagasikara. Tsy vitan’ny mpanitsakitsaka ny Lalàmpanorenana sy ireo Lalàna fototra ary ireo Lalàna manankery fa tena mpanongam-panjakana ihany koa.

Lalovana fohy ny tamin’ny 2009 momba ny fandrobana sy fandorana fananan’olona sy fananam-bahoaka ny alatsinainy mainty, tafiditra tao anatin’izany ny Magro rehetra teto an-drenivohitra sy ny magazay teny Ankorondrano ary ny radiom-pirenena, nitso-drano ireny Andry Nirina Rajoelina. Mbola manaporofo ny maha jiolahimboto ihany koa ny fitsofan-drano ny praiminisitra notendrena teny an-dàlambe nananika ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ka nanaovana sorona olona marobe.

Mbola manaporofo izany toe-tsaina tsy mendrika olona noheverina fa ray amandreny eto amin’ny Firenena izany ny fihantsiana nataon’i Andry Nirina Rajoelina tany Toliara ka nilaza fa tompondaka foana izy teo amin’ny haiady ary izay rehetra mpikatroka tokony nifanandrina rehefa naheno ny anarany fotsiny dia « mi-pipi am-pataloha ».

Nandritra izao fitondrana Repoblika IV-2 izao dia tsy tambo isaina intsony ny fandikan-dalàna nataon’ireo andrim-panjakana misy toy ny Fitsarana izay tsapa fa tsy Fahefana mahaleotena ka tsy azo ekena ny fanndraisana baiko na avy amin’iza na amin’iza. Tsy lazaina itsony ny fanindrian’ny fahefana mpanatanteraka ny Fahefana mpano lalàna niverimberina ka hatramin’ny fitsipaham-pitokisana nosoniavin’ny solombavam-bahoaka 105 avy no namingavingan’i Andry Nirina Rajoelina ny filohan’ity Andrim-panjakana ity ka dia napirimina any anaty vata sarihana izany. Afa baraka tanteraka ity Andrim-panjakana ity tamin’iny fotoana iny ary mbola nitohy izany rehefa tsy nanolotra Lalàna mifehy ny Tetibola nasiam-panitsiana (LFR) tamin’ny fivoriana farany satria dia mivoaka tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny fandaniana ataon’ny governemanta.

Amin’izao fanomanana ny fifidianana Filoham-pirenena izao dia manitsaka ny Lalàmpanorenena hatramin’ny Andrim-panjakana miaro izany dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) satria nanaiky nandray ny atontan-taratasim-pilatsahan’i Andry Nirina Rajoelina na dia tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy intsony aza izy. Ny vava navoakany ihany koa dia nampiseho fa jiolahimboto izy satria tsy misy afaka manala ny maha malagasy azy, hono, ary efa miroso manao propagandy. Na teo aza ny fitoriana nataon’ny vondron’ny Kandidà 11 tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia nolavin’ity andrim-panjakana izany.

Mbola afa-baraka ihany koa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana satria ny lalàna ihany no tsy maintsy hamoahana didy ka tsy azo hadika amin’izay itiavana azy. Nanongam-panjakana an-kolaka ny governemanta ary neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ihany koa izany izay midika ho famadihana Tanindrazana sy tsy fananan’ity Andrimpanjakana ity ny maha izy azy fa mbola baikon’ny filohan’ny Repoblika efa nametra-pialana.

Nampiseho ny maha mpanjanaka azy i Andry Nirina Rajoelina raha niteniteny foana niantsy ny kandidà 11 ka nanao tononkalo nilaza fa « Bruce Lee, hono, izy ka aza manatona azy fa sao mipitika ery ». Tsapa tamin’ity tranga ity sy tamin’ny fanaovany kajy fa toy ireny ankizy kely any amin’ny ambaratonga fototra ity kandidà ity ka tsy misy fahamatorana eo aminy. Taty Madagasikara indray ny mason’izao tontolo izao satria vazaha no misisika hitantana an’i Madagasikara indray mandritra ny dimy taona.

Voaporofo androany koa fa jiolahimboto hatramin’ny loholona raha nametraka ny jeneraly bomba ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Antenimieran-doholona izay tsy ara-dalàna ny nametrahana samboady taminy no tsy nisy famindram-pahefana ihany koa teo aminy sy ny Filohan’ity Andrim-panjakana ity izay tsy ara-dalàna koa ny nanoganana azy teo amin’izany toerana izany. Hita teny amin’ny hetsika nataon’ny Vondron’ny kandidà 11 ihany koa fa nisy depiote, voafidy tao amin’ny boribory faha-5, nanala baraka tena ka nitondra andian’olona namporisihany nanakorontana sy nandroba ireo mpanohana ny kandidà 11 teny Ampasampito. Rehefa tombanana ny làlana nodiavin’ny fitondran’i Andry Nirina Rajoelina nandritra ny dimy taona dia tsy tambo isaina intsony ny fahafaham-baraka ka miverina indray ilay mpamari-toetra nomen’ny vondrona iraisam-pirenena azy hoe « sans qualité », noho izany tsy azo ekena ny mbola hiverenany eo amin’ny fitondrana satria be kibo.