Rina Randriamasinoro – Afaka fa araha-maso ara-pitsarana

Stefa

Omaly no niakatra teny amin’ny fampanoavana ao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro rehefa notazonina nandritra ny 12 andro, teny amin’ny zandary teny Fiadanana. Teo Andohan’Analakely izy no nosamborina zandary misaro-tava nandritra ny hetsiky ny kandidà 11 tamin’ny herinandro lasa teo. Izy tsy nanampo na inona na inona iny, fa nipetraka soa aman-tsara no nosamborina sy natositosik’ireo zandary misaron-tava.

Tao aorian’ny fihainoana azy sy ny mpisolovava tao amin’ny fampanoavana omaly, noafahana i Rina, saingy araha-maso ara-pitsarana araka ny didy nivoaka tao. Ny voalaza fa niampangana azy dia fitarihana olona tsy nahazoana alalana, fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, mbola maneho indray ny jadona ataon’ny fitondrana misy ankehitriny.