Ekipan’ny depiote Raholdina – Nidaroka sy nangalatra telefônina mpanao gazety

Niaina

Nanao ny nataony indray, ny ekipan’ny depiote Naivo Raholdina omaly teny Ampasampito ao amin’ny Boriboritany faha-5, nidaroka sy nangalatra telefônina mpanao gazety ny vehivavy iray mpiara-dia aminy. Noho izay antony izay, nanao fanambarana sy fitarainana ilay mpanao gazety niharan’izany halatra sy herisetra izany dia ny mpanao gazety Toky Rafalimanana ao amin’ny gazety Tia Tanindrazana: “izaho Toky Rafalimanana, mpanao gazetin’ny Tia Tanindrazana sy Top Radio dia mampahafantatra ny besinimaro, fa nalain’ireo andian’olona mpiara-dia amin’ny Depiote Naivo Raholdina an-keriny ny findaiko androany tokony ho tamin’ny 10:15 raha nanao ny asako andavanandro teo amin’ny Météo Ampasampito amin’ny maha mpanao gazety. Raha nijorojoro niandry ny zava-misy, no nipoitra tampoka ireo andian’olona notarihin’io depiote io no nirohotra tampoka nipoitra avy any, ka nidaroka ireo andian’olon-kafa heveriny ho mpanara-dia ny kandida 11, ka iny saika hampiasa ny finday hampitana mivantana sy hiraketana ny zava-misy iny no nokapohana hilatsaka ny findaiko ary nentiny nitsoaka. Tsy ny findaiko irery fa nisy an’olon-tsotra ihany koa lasan’izy ireo. Tadidiko ny olona nanao izany, ary rehefa nanatona ilay depiote mpitarika dia hoe: miandrasa fa haverina iny.

Rehefa niangavy an’ilay olona nanao ny herisetra naka an-keriny ny finday dia hoe: i Deba ihany no mamerina an’iny. Marihiko fa asako no nataoko, ary niambozona ny karatra maha mpanao gazety aho no niharan’izany herisetra izany. Tsy nihetsika teo amin’ny toerako fa tao anatin’ny fahatongavan’izy ireo, fa ireo olona ireo no nirohotra avy hatrany nidaroka an’izay sendra azy teo, ka tao anatin’izany ihany koa no nakana ankeriny ny findaiko. Zavatra saropady ary iankinan’ny asako sy ny fiainako no ao anatin’izany, tsy manan-jo na iray minitra aza ireo andian’olona ireo hitazona an-keriny ny findaiko, koa takiako ny hamerenana tsy misy hatak’andro ny findaiko, ary miantso ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hijery izao zavatra izao. Tsy afaka mifandray amin’iza na iza afatsy eto amin’ny Facebook aho hatreto, ary ny findaiko izay nalaina an-keriny dia iankinan’ny ain’ny orinasa fanaovan-gazety izay iasako ihany koa. Melohiko ny herisetra, takiako ny hamerenana tsy misy hatak’andro ny fananako.