EDITO 14 Oktobra – Mandrovi-tsihy sisa ny ekipan’i Andry Rajoelina

Sôh’son

Mafana dia mafana ny raharaham-pirenena ankehitriny, ary maneho mazava izany fa ao anaty krizy tanteraka ny firenena. Tsy tokony ho tonga amin’izany anefa raha manana fahaiza-mihaino hatramin’izay ny mihazom-pahefana rehetra, ary tsy ninia nanampin-tsofina sy niziriziry amin’ny heviny. Dia iaraha-mahita tsara izao izany tranga izany.

« Hatramin’ny noheverina ho manam-panahy ity no maneho miharihary fa tsy manana izany », raha araka ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena. Ny fahitany ny zava-nitranga teny amin’ny Antenimieran-doholona no nahatonga izany fiheverana izany. Nisy aza nilaza, fa ilay teny isalorany “Loholona” mihitsy no tsy hainy ny dikany amin’ny toe-tsaina maha malagasy. Miharihary indray koa izany ny fanosihosena, tsy ilay andrim-panjakana fotsiny ihany izay misy azy, fa ny anarana isalorany ihany koa. Nabotetaka sy nohitsakitsahina amin’ny tany ny sary ataon’izy ireo io andrim-panjakana io ary noverezin-kasina, ary ny olon-dRajoelina ihany no tena hita hatramin’izay manao izany.

Mafy tokoa ny miharo seza sy tombontsoa manokana nigohana hatramin’izay mbamin’ny volabe nilomanosana ihany koa, hany ka manao ny tsy fanao rehetra sy mamohehitra rehetra izao. Amin’ny fijery iray aza, dia tena fanomezana leson-dratsy ny taranaka any aoriana mihitsy izao ataon’izy ireo izao satria miharihary ny fanitsahana ny lalana sy ny fitondrana ny firenena mankany amin’ny tany tsy tan-dalàna sy fanosihosena ny Lalampanorenana. Fanapotehana ny firenena tsotra izao izany ka mendrika hohelohina.

Fijery hafa ihany koa miainga avy amin’ny fahitana ny ataon-dRajoelina sy ireo mpanara-dia azy, fa mandrovi-tsihy izy ireo sisa, satria miha tery ny lalany. Izay no anton’ny amboletra natao tena Anosikely ny alakamisy teo. Efa miseho ihany koa ny fandranitana sy fihantsiana samihafa atao amin’ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky ny fampiharana ny lalàna sy tsy ny tsy fanekena ny hirotsahan’i Andry Rajoelina kandidà mizaka ny zom-pirenena frantsay. Ity farany izay mikiribiby manao fampielezan-kevitra mipoapoaka hatrany na dia tsy misy ary tsy hisy hifaninana aminy aza eo. Hoan’ny mpamakafaka dia karazany fampielezan-kevitra fanaovam-beloma ihany ireny ka tsy atao mahataitra akory.