IZA MARINA NO MARARY SAINA ?

Dia iza àry izany no marary saina?
Ilay matin’ny tsindry ka dia nitaraina,
Sa ity ilay nifidy ho vazaha taratasy
Kanefa mikiry ho filohan’ny gasy?

Dia iza àry izany no marary saina?
Ilay hoe norahonana hatao tapitra aina,
Sa ‘lay matin-tseza, namorona paika,
Fa tena maniry ho filoha vonjimaika?

Dia iza àry izany no marary saina?
Ilay efa mba vonona sy nantenaina,
Sa ‘ty ilay malaza ho nanira-tena
Tahaka ilay biby izay nandeha niantsena?

Dia iza ary izany no marary saina?
Ireo adalam-bola izay nokaramaina,
Nanaiky ny « ketrika mirefarefa »,
Sa ‘ty ilay noheverina ho tena Mahefa?

DADAN’i ZINA (12-10-23)