HAFATRA HO AN’I VAZIMBA

Omeo re ny vola ry tapak’amponga,
Fa tena mijaly ny maro kilonga.
Izay hoe politika, ‘zahay tsy mahay,
Fa dia ny hahazo vola no mba tanjonay!

Omeo re ny vola ry tapak’amponga,
F’izahay, nantsoina, matoa indro tonga.
Na asa maloto aza, vitanay ihany.
Mahantra izahay ka nanaiky an’izany!

Tsy hoe tonga ho azy ‘zahay sanatria,
Fa ianao dia ianao no niantso hoe avia.
Ka omeo re ny vola, alefaso ny saosy,
Mahantra izahay, tena foana ny paosy!

Ry tapak’amponga, aza dia be kabary,
Fa noana izahay sady maty mosary.
Amin’ny sisa, ny mety, aloavy mialoha,
F’aza atao toy ny resaky ny maivan-doha!

IRINA HO TAFITA (12-10-23)