TSY HO AFAK’IALAHY NY FANADINANA

Ny sarin’ialahy ihany ve ry boaikely
No hipetapetaka hameno tanàna?
Ialahy ‘nefa ilay kandidà tsy mamely
Fa tena malaza ho mpandika lalàna!

Voalaza fa efa tsy gasy kanefa
Dia mbola misisika handray fahefana?
Tsy aleo ve misinda, tsy aleo ve milefa,
Sa miandry horoahina sy hororàna?

Ny sarin’ialahy ihany ve ry boaikely
No hameno ny rindrina sy ny tanàna?
Ialahy ‘nefa ilay kandidà tsy modely
Sy hoe tompondaka amin’ny fandaingàna!

Heverin’ialahy mbola ho bado daholo
Ny « ambany tanàna » sy ‘zahay tantsaha?
Aza dia diso kajy ry mpanao bontolo:
‘Zahay tsy hifidy ny niofo ho vazaha!

…Na dia ialahy irery aza no hifaninana
Ka hihazakazaka irery eto an-dasy,
Tsy ho afak’ialahy raha izay hoe fanadinana
F’efa mifoha sy tsy jamba ny gasy!

DADAN’i ZINA (11-10-23)