Fiainam-pirenena – Tsy azo avela hanjaka ny tsy fahamarinana

Sôh’son

Mihazakazaka ny fandehan’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tonga amin’ny kihon-dalana lehibe misy sampanana roa ny firenena, ka mila mijery tsara sy mahay misafidy ny ho lalan-kizorana. Ny tsy maintsy tsinjovin’ny Malagasy dia ny fitsinjovana izay hahasoa marina ny firenena sy ny taranaka any aoriana.

Mazava loatra, fa tsy mety ary tsy ekena marindrano ny fiveren-dalana ho eo ambany ziogan’ny mpitondra frantsay sy ireo mpanao politika malotony, ka hametraka ny olona na saribakoliny hitondra ny firenena. Tsy azo avela hidanadana toy izay efa 5 taona lasa izay namela higalabonan’ny fitsentsefan’ny frantsay ny harembe eto sy ny tombontsoa efa nandritry ny taona marobe izay izao fotoana izao, fa ampy izay. Raha toa ka tsy ahitan-teny mihitsy ny fitondrana frantsay amin’ny alalan’ny masoivohony eto, dia izy mihitsy no ao ambadik’izao fizirizirian’i Andry Rajoelina sy ny mpanohana be fahatany azy izao. Izy no azo lazaina tsotra izao fa manohana ireo rantsamangaikan’ny vondrona “mafià” eto amin’ny firenena izao raha mangina izy.

Iaraha-mahalala, fa efa mikotrika tetika maizina ireto olona ireto, ka tsy mampaninona azy velively na hisy fisaraham-bazan’ny samy Malagasy aza na hiafara amin’ny fifandonana mihitsy. Efa nanainga izany ireo olony tamin’ny fanaovana fihantsiana samihafa tamin’ireo vahoaka marobe mitandahatra midina an-dalambe tarihin’ireo vondron’ny kandidà 11, mitaky ny fampiharana ny lalàna sy hiverenan’ny tany tan-dalàna. Soa fa hendry ireo vahoaka mitaky ny ara-dalàna sy manao hetsika am-pilaminana sy feno fahendrena tao anaty andro maromaro izay.

Heverin-dRajoelina sy ireo mpanohana azy hitondra ny firenena mankaiza izao fiziriziriana sy fanaovana letrezana izao? Tsy hisalasalana hitondra ny firenena mankany amin’ny fahapotehana tsotra izao. Ny marivo fisainana tsy mahatsinjo lavitra no tsy hahatakatra izany, fa ny olo-kendry tohina ka miezaka mafy sy mifofotra miady ny tsy hahatongavana amin’izany. Efa nisy ny faharatran’ireto olom-pirenena saropiaro amin’ny tanindrazana ireto vokatry ny herisetran’ny zandary izay singanina manokana, nisy ny fisamborana sy fihazonana andro maro tsy mifanaraka amin’ny lalàna, toy ny nanjo ny Sekretera jeneralin’ny Tim, Rina Randriamasinoro, ary nisy ny niafara amin’ny famonjana mihitsy.

Maneho fahapotehan’ny firenena ireny rehetra ireny ary miditra ao anaty krizy tanteraka i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa noezahina nosorohina ihany ny tsy hahatongavana amin’izany, fa noho ny finiavana hanao amboletra sy lalan-dririnina nihevitra ny tamin’ny taona 2009-2010 sy ny taona 2018, dia izao iaraha-mahita sy miaina izao indray ny vokany. Olom-bitsy no manapotika ity firenena ity amin’ny alalan’ny fanaovana fihatsarambelatsihy avo lenta.