FITOKONANA FAOBE ?

Heno fa mananontanona ny fitokonana faobe
Satria misisika hatrany ity ilay very lakile,
Ka raha ny hatreto dia tsy hisy varavarana hivoha,
Raha mbola hoe frantsay no hanao an-ditra ho filoha!

Ny fivondronamben’ny mpiasa dia nanao fanambaràna
Ny amin’ny tokony hanajana ny hoe tany tan-dalàna,
Ka manohitra amin’ny heriny ny tsindry sy ny teritery.
Toa tsy misy mihaino anefa ireo mihevitra ho mahery!

Heno fa mananontanona ny fitokonana faobe
Satria manao an-ditra hatrany ireo « ekipa perimé ».
Malaza ho toy ny soitrafo ka misisika ho may
Fa mihevitra ny gasy hatrany ho zanatany frantsay!

Heno fa mananontanona ny fitokonana faobe
Ka tena may ny endim-boanjon’ny Tanora Gasy V.
Tsy miery intsony ankehitriny ny hadisoana sy havendranana,
Ho an’ny olon’ny laoranjy sy mpanao V amin’ny tanana!

…Raha izany dia tsy hay hoe inona ary no hitranga
Fa toa maizina ny ampitso, tsisy lanitra ho manga.
Ny hadalan’ireo mpitondra no efa mampanongo tena
Very ianao ry firenena! Aiza re ny famonjena?

DADAN’i RIANA (11-10-23)