TOY NY ZAZA VAO IRAY RANON’ORANA !

Inoako fa na ny boaikelinay aza
Raha mba te hidehaka sy te halaza,
Dia tsy hanao tahaka an’ilay lavasanga
Izay tena mampiaiky amin’ny lohambomanga!

Bruce Lee ny azy no hindrahindrainy.
Ny ho toa an’io no mba masaka an-tsainy!
Ka hita eny ihany ny olon-tsy maoty,
Mirehaka ho « mpampipipy an-kilaoty »!

Talentany ny azy ny teny mavandy
Rehefa hiangaly propagandy.
Manampy an’izany koa ny hoerahoerany
Sy ny herin-tsandry izay toa fampiderany!

…Tsy ananany raha toa tsaraina amin’ireny
Ilay toetra mba hoe maha-raiamandreny,
Fa dia toy ny zaza vao iray ranonorana,
Tena tsy manana fahamatorana!

TSIMIMALO (12-10-23)