Fanendrena an’i Richard Ravalomanana ho loholona – Nandika lalàna ny governemanta sy ny Antenimierandoholona

Nangonin’i Lanzelo

Nitondra ny fomba fijeriny mikasika ny zava-mitranga ao anaty ny Antenimierandoholona ny solombavamahoaka, Johasy Eleonore tao anaty ny fandaharana Angaredona (12/10/2023), milaza ny tsy ara-dalàna nitranga teny androany.

Nandefa fiantsoana omaly (11/10/2023) ny avy ao amin’ny governemanta maintso ny Antenimierandoholona hivory handinika ny fandamininana ny birao maharitra eo anivon’ity andrimpanjakana ity, araka izao: « L’ordre du jour de la session extraordinaire concerne la réorganisation du bureau permanent du Sénat ».

Raha todiana ny Lalampanorenana sy ny Lalàna Fehizoro mifehy ny Antenimierandoholona ary koa ny fitsipika anaty mandamina ny fomba fiasa eo anivon’ny Antenimierandoholona dia mitovy ny voalaza fa rehefa misy ny fivoriana tsy ara-potoana iantsoana ny Antenimierandoholona ka tsy voaantso ny avy ao amin’ny Antenimierampirenena dia tsy misy afa-tsy fakan-kevitra no azo atao. Noho izany dia fandikan-dalàna tsotra izao ny niantsoana ireo loholona handamina ny birao maharitra satria tsy fakan-kevitra izany.

Ny Lalampanorenana dia milaza ao amin’ny andininy faha-48, andalana faha-4, fa « rehefa tsy mivory ny Antenimierandoholona dia tsy afaka mandinika afa-tsy ny raharaha nangatahan’ny governemanta ny heviny », izany hoe fakan-kevitra ihany. Ny fanavaozana birao maharitra anefa dia tsy fakan-kevitra, koa manitsaka ny Lalampanorenana io famoriana ny Antenimierandoholona io araka ny lahadinika napetraky ny governemanta.

Niova tampoka ny lahadinika teo am-panokafanan ny fivoriana ka nanjary ho fanolorana samboady an’i Richard Ravalomanana indray. Nofaranan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Herimanana Razafimahefa, avy hatrany ny fivoriana, saingy mbola notohizan’ireo sasany tao anaty fivoriana mikatona (huis clos) izany. Ka ny filoha lefitry ny Antenimerandoholona, Nicolas Rabemananjara, no nampisalotra ny samboady, tao ao anaty ny tsy fanarahan-dalàna.

Misy andrim-panjakana natao hiaro ny Lalampanorenana eto Madagasikara, dia ny Fitsaràna Avo momban’ny Lalampanorenana (HCC). Eto isika no hahita raha mbola hijery sy hankato izany fanitsakitsaha Lalampanorenana izany izy ireo, satria efa izay no nanakianana azy, sa efa mitodika any amin’ny ara-dalàna ka mijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena.https://www.youtube.com/live/8fcoVsijZhA