Mihemotra hatrany ny firenena – Ara-toekarena, ara-barotra, ara-bola,…

Beharo

Mihemotra hatrany ny laharana misy ny firenena malagasy maneran-tany eo amin’ny lafiny lafiny maro isan-karazany raha fintinina fohy. Ny lafiny ara-barotra, izay tokony hampalaza sy hampandroso ny firenena, dia efa very tanteraka, satria raha mba manana ny ampy isika eo amin’ny famokarana, fambolena sy fiompiana; dia tsy tazana mihitsy anefa izany noho ireo tandrevaka ataon-drafanjakana manodidina izany, tamin’ny fitondran-dRajoelina izao, ka hatramin’izao. Eo ny eo amin’ny fitrandrahana volamena, ny vary sy lavanila ohatra, izay efa mampimenomenona ny rehetra eo amin’ny vidiny, eo koa ny asa fiompiana omby sy kisoa ary vorona maro karazany, izay efa simba tanteraka noho ny asan-dahalo, ny tsy fahampiana ara-bola ho enti-manana sy mikarakara azy ireny, ka manimba ny vidim-piainana manontolo mihitsy raha bangoina tsotra.

Mihorohoro ny vahoaka malagasy araka izany tsy fisiana ara-bola izany, ny kolikoly rahateo manjaka tanteraka ataon’ireo dahalo ambony latabatra, nefa dia mbola matahotra tanteraka ihany koa ny be sy ny maro eo amin’ny lafiny filaminam-bahoaka, noho ity fandrahonana sy herisetra ary fanafihana miparitaka atao amin’ny vondron’ny kandida sy ny vahoaka mpiray dia amin’izy 11 mirahalahy mianaka ireo, nefa dia anaovan-dRajoelina sy ny governemanta ifarimbonana asan-jiolahimboto tanteraka hoy ny feo voaray tamin’ireto kandida, ary efa fihantsiana mihitsy raha ny akom-baovao voaray, satria satrin-dry zareo aza mikorontana dia foana na mihemotra indray ny fifidianana, ka lasa tetezamita, amin’izay fotoana dia mba hahafahan-dRajoelina miverina mora eo indray hono. Tsy hita intsony izay mampilamin-tsaina hoy ny maro, manampy trotraka izany koa ny faran’ny herinandro teo, ny fampiharana ny tsy fahafahana mivoaka alina “couvre feu “, izay mahagaga ny rehetra mihitsy, satria toa petatoko fotsiny ihany raha ny fijerena azy, lalàna mivoaka nefa toa tsy mihàtra araka ny tokony ho izy akory fotoana vitsy taty aoriana : tsy fahazoana mivezivezy tamin’ny alina ora vitsy fotsiny dia nofoanana. Lasa fampitahorana ireo mpaneho hevitra, mpidina an-dalambe ny zandary, miaramila sy polisy na EmmoNat izany, nefa dia tsy miaro vahoaka marobe izy ireo, fa dia ilay laharana faha-3 matahotra ny mpifaninana aminy sy mpiaro ny mpiray dia aminy no tompoiny. Tadidio, fa efa nisy ny F.R. S, sy Resep fahiny, fa rehefa misafoaka ny vahoaka na mipoaka ny ady, dia tsy mankaiza izy ireny, sady ny polisy sy miaramila sasantsasany, efa mihataka moramora amin’ny ataon’ny zandary ihany raha jerena.

Ny filohan’ny Antenimierandoholona aza nilaza, fa fandrahonana sy herisetra ireny, tokony hajanona, fa miteraka korontana sy lolom-po hoy hatrany ny teniny, mila fitoniana tanteraka mihitsy satria toa lasa manimba ny Zon’olombelona sy krizy mampihemotra lavitra ny firenena indray. Tsorina, fa na ny vahoaka mpampiasa jiro sy rano, na ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite, ny mpampianatra avy amin’ny Seces efa manao fitokonana lavareny, na ireo mpiasa mba manana anton’asa mazava, dia efa mihorohoro tanteraka noho ny fidiram-bola tsy ampy, tsizarizary, ny vatsim-pianarana tsy omena amin’ny tokony ho izy, miasa amin’ny maizina tsy misy rano azo ampiasaina, sns… Efa leo tanteraka ity fitondrana VAHINY mpanao jadona manara-penitra ity mihitsy ny maro, tsy vitsy ireo manatevina ny tolona izay ataon’ny kandidà 11, mba hialana amin-dry Rajoelina sy ry Ntsay Christian sy ny forongony, mpanao famoretana, mpandainga, mpanongam-panjakana, sy tsy mitsinjo vahoaka ireo.