Masoivoho Amerikana – Miantso ny governemanta hanaja ny fahalalahan’ireo kandida rehetra

Nangonin’Isambilo

Misy ny fanambaran’ny Masoivoho amerikana momba ny fifidianana malalaka, sy madio mandritra ny fotoana fampielezan-kevitra ofisialy atao eto Madagasikara:

“Niditra anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra ofisialy i Madagasikara ny 10 Oktobra teo, ka manentana ny governemanta iaraha-mitantana sy ny kandidà rehetra i Etazonia, mba hanao ny ezaka rehetra hanohanana ny fifidianana malalaka sy madio ary koa zotram-pifidianana eken’ny rehetra sady atokisan’ny mpifidy sy ny olom-boafidy. Zava-dehibe amin’ny kalitaon’ny fitantanana ny firenena ny fifidianana. Ny fifidianana dia na hampandroso na hampihemotra ny fampandrosoana ara-demokratika, sy ara-toekarena maharitra ao amin’ny firenena iray. Ny foto-kevitra fototra mamaritra ny fifidianana malalaka sy madio dia ny tsy maintsy hisian’ny tena fifaninanana ara-politika ary ny tsy maintsy hahitana taratra ny fahalalahana maneho ny safidim-bahoaka.

Mba hahatongavana amin’izany, ny governemantan’i Madagasikara dia tokony hanaja ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan’ireo kandida rehetra sy ireo mpiara-dia aminy hivory am-pilaminana, ary tokony hanome azy ireo ny fitoviana amin’ny fisitrahana ny haino aman-jery sy ireo toerana fanaovana fampielezan-kevitra. Miantso ireo kandidà rehetra izahay mba hitandro ny filaminam-bahoaka rehefa hampahafantatra ny fandaharanasany sy haneho ny heviny amin’ny alalan’ny hetsika famoriam-bahoaka, sy fampielezan-kevitra tanterahana am-pilaminana izy ireo. Zo feno ananan’ny vahoaka Malagasy ny hahafahany mandinika ny ho safidiny ao anatin’ny tontolo milamina sy azo antoka mialohan’ny hanehoany izany safidiny izany amin’ny alalan’ny latsa-bato ny 9 novambra.

Nandritra ny fihaonan’ny Filoha Amerikana Biden tamin’ireo mpitondra Afrikanina, tamin’ny fihaonana an-tampony Etazonia-Afrika, dia nanamafy ireo mpitondra miisa enina, ka anisan’izany ny an’i Madagasikara ny fahavononany hanatanteraka fifidianana malalaka sy madio, anaty zotram-pifidianana mangarahara ary koa tantanina vaomieram-pifidianana mahefa sy mahaleotena, sy tsy mitanila araka izay voafaritry ny Sata Afrikana momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantanana. Nohamafisin’ny Filoha Biden, fa i Etazonia dia manamafy hatrany ny finiavany hanohana ny zotram-pifidianana, mba hanamafisana orina ny demokrasia aty Afrika. Mijoro miaraka amin’ny vahoaka Malagasy i Etazonia amin’ny safidiny ny amin’izay hitondra ny fireneny.” hoy ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo.

Rohy FB
https://www.facebook.com/100064820163289/posts/pfbid02cWPck2XyK3KNP1tJq6X3xr41VpJrsoyphx225Q5NeVEnHx7NYNxFYxceV7NzWnoil/?mibextid=cr9u03
Rohy Tranonkala
https://mg.usembassy.gov/u-s-mission-statement-on-free-and-fair-elections-for-the-official-campaign-season/