Serge Jovial Imbeh – Miray fo tanteraka amin’ny kandidà 11 ny antoko AFIMA

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’ny mpanao politika, filohan’ny AFIMA: Antoky ny Fivoaran’ny Malagasy, Serge Jovial Imbeh, malagasy monina any ivelany fa manaraka akaiky ny raharaham-pirenena eto amintsika ny gazety Ny Valosoa Vaovao. Dinidinika:

– Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV): manao ahoana ny fahitanao ny raharaham-pirenena eto Madagasikara amin’izao fotoana?
-Serge Jovial Imbeh (SJI): betsaka ny zavatra efa nandalovan’ny firenena, fa ity indray mitoraka ity kosa dia zavatra tsy mbola nisy teo amin’ny tantarany firenena. 11 candidats be izao, no mitambatra satria mahita ny zavatra tsy mety rehetra misy eo amin‘ny firenena, indrindra ny mikasika ny fifidianana. Efa nisy io tolona io tamin’ny taona 2018 nataon’ireo 26 candidats ary efa nangataka ny fifidianana mangarahara sy madio tamin’izany.
5 taona aty aoriana dia mbola miverina ihany ilay fanao. Efa nolazaiko hatramin’ny ela, fa tsy hisy filaminana eto amin’ny firenena raha tsy mangarahara sady madio ny fikarakarana ny fifidianana rehetra. Ny loza dia ny andrim-panjakana rehetra mikarakara izany mihintsy amin’izao no tsy ananan’ny vahoaka fahatokisana intsony.
Latsaka ankaterena ary ao anaty kihondalana mihintsy i Madagasikara, ka anjarantsika vahoaka no manova raha te hanova marina ho any amin’ny tena fampandrosoana marina.
Mampalahelo ny zava-miseho, satria fifanankalozan-kevitra ny moana sy marenina no misy. Aoka anefa tsy hodian-tsy hita fa ireo 11 candidats ireo anie no manana ny atao hoe MAJORITÉ fa tsy ny olon-tokana e!
Tsy misy afa-tsy ny latabatra boribory ihany no hahafahana mandravona izao disadisa izao. Nefa kosa tiako ny manamarika eto, fa sarotra dia sarotra no mbola hirosoana amin’izany satria ao ny rà latsaka, herisetra,…

-GNVV: nisy tokoa ny fisamborana nandritra ireo hetsika nataon’ny vondron’ny kandidà 11 ireo, inona no azonao lazaina ny mahakasika izany?
-SJI: izay no hataoko hoe tsy mahay mandray lesona isika satria rahonana foana izay tsy mitovy hevitra. Raha tsy izany dia samborina. Tsy mahay mandray lesona ary tsy mijery ny tantara niainan’ny firenena. Ampiasaina ny fitsarana anaovana izao rehetra izao. Samborin’ny Zandary ny olona tsy meloka, fa tsy ny dahalo no enjehiny.
Tsy ary hitovy hevitra aminao daholo ny olona, ka tokony hahazaka ny fanehoankevitry ny hafa indrindra ny zavatra misy amin’izao, satria ampilaminana tsara ny fizotry ny fitakiana. Tsy misy trano may, na varotra voaroba sahala amin’ny hitantsika tamin’ireny 2009 ireny.

-GNVV: nanomboka tamin’ny talata teo ny fampielezan-kevitra, fa manao ny hetsika fitakiany koa ny vondron’ny kandidà 11, azo tanterahana ve io fifidianana filohampirenena amin’ny 9 novambra io?
-SJI: fifidianana ahoana no tadiavintsika? mangarahara, madio ary ekeny rehetra. Nefa tomombana ve ireo fepetra ireo? TSIA ny valiny. Ka noho izany maninona ary raha miara-midinika hahafahana manantanteraka izay.
Mieritreritra ve ny fitondrana, fa ny fanaovana fifidianana amboletra no mampilamina ny firenena? ambava homana, am-po mieritreritra.
Raha te hametraka zavatra tsara ho an’ny taranaka isika dia andao hifampidinika ary hifanome tanana, handaminana ny zavatra tsy mety rehetra.
Matoa atao amboletra ny fifidianana dia fahatahorana ny marina, madio, ary mangarahara no be indrindra.
Lazaina fa ny lalam-panorenana no tsy maintsy manery hanaovana fifidianana. Efa nivoaka ny cadre constitutionnel anie isika nanomboka tamin’ny desambra 2022, satria aoka tsy ho hadinontsika ny motion de censure ny 105 deputés. Natao amboletra fotsiny ny fanajanonana azy na dia tsy araka ny lalam-panorenana aza.
Eo ihany koa ny coup d’état institutionnel nahazo ny filohan’ny Antenimierandoholona. Hitantsika ireny fanambarana navoakany ireny. Izany hoe isika izao efa hors cadre constitutionnel.

-GNVV: manao ahoana kosa ny antoko tarihanao ny AFIMA, sy ny fiainam-pirenena?
-SJI: ny antoko AFIMA manokana izay tarihiko dia manohana tanteraka ny fitakian’ireo 11 candidats ireo, satria zavatra efa nangatahinay io tamin’ny taona 2018. Ary manentana ny olom-pirenena rehetra handray ny andraikiny amin’izany fitadiavana ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra izany. Mitady aina vaovao ny firenena ary mitady fampandrosoana haingana.