IHOMEHEZAN’NY OLONA RAMALAGASY !

Eto efa tany tsy misy lalàna.
Ny adala no indreo fa nandray fahefana,
Ka ‘zay tiany ihany no ataony amboletra,
Ampiasainy ny tsindry sy ny herisetra!

Mpitsara tsy marina no hita eny ambony.
Mazava fa dia tsisy hasina intsony!
Fisainany tsy aiza f’eo an-tendron’orona
Ka ny vahoaka no indreo lasa sorona!

Iretsy bebaoty dia efa fanary.
Tononina miavaka iretsy zandary,
Izay tena ny lohany no efa matsatso.
Mazava fa bingo mitarika matso!

Loholona koa dia nivadika ho rambony,
Tsy toy ny anarany sy ny fihambony.
Izany no zava-miseho eto an-dasy,
Ihomehezan’ny olona Ramalagasy!

TSIMIMALO (12-10-23)