EDITO 12 Oktobra – Fampanajana ny lalàna velona – Tsy hitsahatra sy hitombo hatrany ny hetsi-pitakiana

Sôh’son

Herinandro mahery, ary valo andro taorian’ny teny amin’ny vohitr’Itaosy Atsimondrano iny, no nisian’ny hetsika lehibe fanoherana ny tsy fisian’ny fanajàna ny lalàna eto amin’ny firenena, sy ny fitanilan’ireo rafitra napetraka hisahana ny momba ny fifidianana, dia ny HCC sy ny CENI. Niitatra ary nitombo ny andro fanoherana notarihin’ny Vondron’ny Kandidà 11, ary mendri-piderana tokoa izy ireo, fa teo hatrany isan’andro isan’andro, eny na dia tratry ny herisetra sy naratra aza ny filoha Ravalomanana Marc ny sabotsy lasa teo, dia mbola tonga teny Itaosy ihany ny tenany, tonga teny Anosibe, teny Ankatso, nandeha an-tongotra ary niaraka tamin’ireo kandidà namany hafa, ary hita ho mbola mavitrika tokoa. Mbola hiitatra sy hitombo io hetsika io raha tsy misy ny fiovàna amin’ny resaka fampiharana lalàna sy ny momba ny fifidianana mampanjaka ny tsy rariny sy ny tsy hitsiny tao anaty andro maro izay. Mazava loatra, fa sarotra ny fanatanterahana fampielezan-kevitra sy indrindra ny fifidianana raha izao toe-javamisy izao no mitohy. Tsy azo heverina velively ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy madio ary eken’ny rehetra.

Tsy nihanona fotsiny amin’ny hetsika teto Antananarivo ny hetsi-pitakiana fampanajàna ny lalàna, fa niitatra tany amin’ny faritany sy faritra samihafa manerana ny Nosy ihany koa. Anisan’izany, ohatra, ny toy ny tany Toliara sy Mahajanga ny Sabotsy lasa teo, ny tany Antsirabe, Mananara Avaratra,… Raha ny fahitana ny fivoaran-draharaha, dia hitombo hatrany izany hetsika manerana ny Nosy izany, raha mbola mitohy ny fihetsika mamohehitra atao eto amin’ny firenena nanoloana izany, toy ny fampiharana herisetra sy fandratrana, fandatsahan-drà, ary fisamborana olona. Niaraha-nahita ny fitomboan’ny olona isan’andro tao anatin’izay herinandro mahery izay, tamin’ny toerana nanaovana hetsika teto Antananarivo. Hanao izany koa ny any faritra sy faritany rehetra manerana ny Nosy, raha mbola misy ny fiziriziriana sy fanaovana di-doha na toe-tsaina “jiolahim-boto”.

Mitodika aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao manara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha. Miparitaka ny fampitam-baovao momba ny hetsika tarihin’ireo kandidà 11 ary ireny mivoaka amin’ny fampitam-baovao vahiny ireny. Hanerana izao tontolo izao ny zava-misy eto Madagasikara hahalalany ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenana sy ny lalàna velona eto amin’ity firenena ity, sy ny famoretana ny vahoaka midina an-dalambe am-pilaminana, ary hanosihosen’ny zandary sy ny lehibeny ary ny mpibaiko azy ireo indrindra indrindra ny demôkrasia. Noharatsian’izy ireo eo imason’izao tontolo izao araka izany ny sarin’i Madagasikara.

Tsy mitsaha-mitombo sy miitatra araka izany izao hetsi-panoherana ny tsy fanekena marindrano ny kandidà frantsay hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena izao. Ny vahoaka rahateo efa tapa-kevitra tanteraka ny amin’izany hatramin’ny farany, ary tsy hihemotra velively.