Mila fanadiovana ny zandarimaria: Baomba, Gellé, Tangena

Lanzelo

Mampieritreritra ihany ny tranga hita eo anivon’ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny zandarimaria raha toa ka zoky na ray alan-dreny tokony ho modely ho an’ireo zandry no maneho fitondrantena mamohehitra.

Fisehoana iray ity. Na dia nitsahatra tamin’ny naha-sekretera jeneralin’ny zandarimaria na SEG aza ny i Richard Ravalomana na i risara baomba – anarana nomena azy noho izy mailaka amin’ity fanapoahana baomba ity – ka zandary misotro ronono ankehitriny, dia tsy mipetrapetraka mihitsy fa tsara sy hita fa isan’ireo mitantana ny raharaha fampihorohoroana. Raha toa ka ny jeneraly Serge Gellé no SEG ankehitriny, dia toa saribakoly fotsiny fa i risara baomba ihany no tena mibaiko. Mandritra ireny herisetra nataon’i ireo zandary tamin’ny vahoaka nandritra ny diaben’ny kandidà 11, dia fantatra fa manaraka ny fizotran’ny hetsik’ireo herimpamoretana avy lavitra min’ny alalana « talkie-walkie » ny tenany ary dia mazàna izy mihitsy no manome ny torolalana.

Araka ny tsilantsofina koa dia misy an’ity kolonely Radosoa ity, antsoina koa hoe Tangena, izay mibaiko ireo zandary ao Ankadilalana, sy ireo ESI (élément spécial d’intervention) ao Mahamasina. Izy ity, izay malaza ho sipan’i Lalatiana, no manome ny baiko hampiasa ny « grenades », ary koa ny fisamborana ireo « garde de corps » sivilin’ny kandidà 11. Tsy kitihany intsony raha miaramila na polisy noho ny fahatahorana ireto farany sao mitraotra.

Araka izany dia endrika ratsy ho an’ny zandarimaria mihitsy no asehon’ireto manamboninahitra ireto, ka mahalasa saina hoe iniana potehina daholo ve ny andry rehetra eto amin’ny firenena? Ilay « Andry » iray izay anefa manao izay danin’ny kibony!