Hiatrika baolina an-tanimbary Rajoelina

Ny Valosoa

Miedinedina ery Ra-Cedric, na ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, teo anoloan’ireo mpanaradia azy, fa vonona hono izy hiatrika ny fifaninanana, nambarany fa matahotra azy hono ireo mpifaninana ka mitady hevitra ny hanemorana ny fifidianana.

Tsy dia atao mahataitra loatra raha toa ka izay ny fihetsiny, satria efa mazava anie fa ireo mpikirakira ny fifidianana dia sovaliny avokoa, toy ny Hcc, Ceni, Ny Minisiteran’ny Atitany, izay efa tapakevitra amin’ny baiko midina sy ramatahora ampitaina any amin’ireo ambaratongampahefana feheziny, ireo fiaran’ny ministera efa novaina ho mainty avokoa ny famantarana azy ahafahana mampiasa azy amin’ny fampielezankevitra ary ireo mpitandro filaminana mahasahy mitandroka ny tsy mitovy hevitra amin-dRaCedric, sy vonona hiaro ny mpanao taingimbozona.

Ny baolina kitra no taranja be mpankafy indrindra eto amintsika, k’izay no antony andraisana ohatra avy amin’ity taranja ity, voaporofo tokoa izao fa dodona ery Ra-Cedric hiakatra kianja, satria tsy sahy hilalao hono ny mpifaninana aminy, tsy takatry ny sainy akory, fa ny antony tsy iakaran’ireo mpilalao 11 hafa kianja anie dia ilay lalao mihitsy no tsy ara-dalàna, satria ny kianja, ny baolina, ny mpitsara afovoany sy antsisiny roa, ny mpitsara amin’ny video, ny kaomiseran’ny lalao, ny mpitazona ny fanisan’ora dia samy azy avokoa ary izy mpilalao dia tsy ara-dalàna rahateo, satria lalao tokony hifaninanan’ny samy malagasy no atao, noho izany izy Ra-Cedric izay mpilalao efa nanary ny maha-malagasy azy dia tsy tokony ho afaka hiakatra kianja, mpitan-damba any amin’ny vestiera sy mpandroaka ny baolina mivoaka na ramasera no sahaza ny mpilalao tsy manana ‘’licence’’ ara-dalàna.

Kanefa dia tsy miraharaha ireo voalaza ireo Ra-Cedric satria, aminy dia tsy isan’andro ny fetin’ny ankizy, tsy impiry hisy ny lalao tsy misy adversera, ka mivonona ery izy hiatrika an-dRaderanirina Sendrison Daniela, ilay adversera izay azo inoana fa zoera miloka aminy ihany.

Diso fanantenana anefa i Ra-Cedric satria ho sokajian’izao tontolo izao ho lalao tsy manankery io lalao io, rehefa tsy miakatra kianja ireo mpilalao manana ‘’licence’’ ara-dalàna 11, fa dia dia toy ireny baolina an-tanimbary ireny, ka na ny baolina dakana aza baolina vorodamba.