TSY HIJANONA MIHITSY ?

Tsy hijanona mihitsy ve ‘nareo mpanao bontolo
Raha tsy misy iray mitsitra iretsy iraikambinifolo?
Izay no teny avy any ambony, izay no baiko efa nomena
Fa vazaha no atao filoha hitantana ny firenena?

Tsy hijanona mihitsy ve ‘nareo mpanao bontolo
Raha tsy misy iray mivadika amin’ny iraikambinifolo,
Ka dia hotambazam-bola, hanaiky hifampiraharaha
Hanohana ny gasy vendrana efa niova ho vazaha?

Tsy hijanona mihitsy ve ‘nareo mpanao bontolo
Raha tsy misy iray mandositra amin’ny iraikambinifolo,
Fa tsy mahatanty intsony ny hetraketraka misesy,
Ka hipetraka amin’izay, hifitsaka toa olon-dresy?

Tsy hijanona mihitsy ve ‘nareo mpanao bontolo
Fa hanao izay hampihemotra iretsy iraikambinifolo?
Izao anefa no tsarovy, izao no hany fanekena:
Gasy fa tsy hoe vazaha no ho filoham-pirenena!

DADAN’i ZINA (08-10-23)