Distrikan’i Morondava – Maro ireo mitaraina fa tsy ao anaty lisi-pifidianana

Rajepa

Maro ireo mitaraina fa tsy ao anaty lisi-pifidianana any amin’ny distrikan’i Morondava faritra Menabe, amin’ny fifidianana hatao eto amintsika amin’ity taona ity.

Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra, ireo mponina feno 18 taoana miakatra, ao amin’ny distrikan’i Morondava, fa maro ireo tsy tafiditra anatin’ny lisitry ny mpifidy, milaza izy ireo fa goragora tanteraka ny fanaovana ny lisitry ny mpifidy, satria raha ny zava-misy hoy izy ireo, tokony hiakatra ny isan’ny mpifidy nohon’ny nanaovana hetsika fanaovana karatra faobe iny, fa toa vao mainka nihena ka manontany tena izy ireo hoe: natao aiza ny anaranay izay noraisinareo toa tsy hita anatin’ny lisitra, satria raha ny zava-misy ao amin’ny fokontany iray ao Marofandilia fotsiny no jerena dia karne miisa 120, no fenon’ireo mpanangona lisitra dia ny mahagaga fa olona 700 ihany no voasoratra ao anatin’ny lisitra raha tokony ho 6 000.

Manoloana izany dia efa nitaraina tamin’ny tompon’andraikitry ny Ceni aty amin’ny faritra ireo solontenan’ny mponina verezin-jo ireto dia nilaza ireo tompon’andraikitra hoe: ndao fa hijerena vahaolana, hatramin’izao fotoana fizarana ny karatry ny mpifidy izao anefa dia tsy misy vahaolana ny lisitra, sady efa tsy azo kitihana intsony, ka tsy hay hoe inona ny vahaolana aroson’ny CENI? Tsara ho marihina fa tsy nisy na dia iray aza fokontany nanao peta-drindrina ny lisitry ny mpifidy, satria tsy nahazo afisy atao peta-drindrina avy amin’ny foibe izy ireo raha nanaovana fanadihadiana. Koa mangataka ny hampidirana azy amin’ny lisitra ireo mponina, satria tapa-kevitra sy vonona haneho ny safidiny izy ireo. Ny any amponja ary hoy izy ireo mbola mitady hifidy raha ny vaovao azo koa zahay no ho verezin-jo.

Raha nanao fanadihadiana tamin’ireo mpanao politika kosa dia milaza mazava ireo mpanao politika, fa misy dikany io, mba hanamboarana ny vokatra ato Menabe, satria ny kandida Andry Rajoelina dia resin’ny Filoha Marc Ravalomanana nanerana ny faritra Menabe, ka izao no fomba hitany hanamboarana ny vokatry ny fififdianana: ahena ny mpifidy satria efa fantany fa ho resy izy ato Menabe noho ireo fampanantenana maro tsy misy tanteraka ato Menabe: toy ny fanarenana ny orinasa SUCOMA tsy vita, sy ny toha-dranon’ny DABARAHA, hany ka na ireo foto-drafitrasa zara fa vita aza tsy sahiny notokanana aty Menabe, fa dia tsy hay hoe andrasana hirodana ho azy toy ilay tranoben’ny serasera sy kolontsaina koa angamba hoy ny maro aty an-drenivohitr’i Menabe.