EDITO 10 Oktobra – Serasera sy kolontsaina – Lasa tsy ho tafaverina toa an-dRajoelina koa ny ministra Lalatiana

Sôh’son

Nametra-pialana omaly koa ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy, nanao veloma ireo mpiara-miasa aminy tetsy amin’ny Tranombokimpirenena Ampefiloha izy omaly io, nandritra ny fampakaran-tsainan’ny ministera. Arak’izany, lasa tsy ho tafaverina eo amin’ny fitondrana toa an-dRajoelina koa ity ministra nametra-pialana ity. Ny antony nametrahany fialana dia ny hanao fampielezan-kevitra ho an’ny kandidà Rajoelina. Ny ministra Edgar Razafindravahy koa tany Antsirabe ny sabotsy teo dia nilaza fa hanohana ny kandidà Rajoelina, noho izany tokony hametra-pialana koa ity ministry ny indostria sy ny varotra amin’izao fotoana izao ity. Ary tsy tsy izy ireo ihany no tokony hametra-pialana hoy ny mpanakanto sady depiote: Rossy, fa ny governemanta Ntsay Christian iray manontolo mihitsy, satria “tsy norma” hoy izy ny maha filoha mpiara-mitantana ny firenena azy ireo amin’izao fotoana.

Mampihàtra fomba ratsy

Mahakasika an’izay, manao sy mampihàtra ny fomba ratsy nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny fotoana nandrobany sy nibodoany ny fahefana tamin’ny taona 2009 koa i Ntsay Christian sy ny governemanta izay tarihany tato anatin’ny andro maromaro izao. Tsy misy valaka mihitsy amin’ny nataony toy ny fampiharana herisetra ireo rehetra izay manohitra sy manohintohina azy ary nandroba fahefana ihany koa, mba tsy ilazana hoe mpanongam-panjakana koa ny governemanta Ntsay Christian. Dia iaraha-mahita ny nataon’ireo tafi-panjakana eo am-pelatanany sy ataony fitaovana amin’izay tiany anaovana azy rehetra hamoretana ny mitaky ny famerenana ny tany tan-dalàna sy ny fahamarinana. Dia ireny nisy fisamborana sy fandratrana olom-pirenena sy kandidà ireny no nataony. Nampanjakaina ny fomba ratsy mamohehitra manosihosy ny fahalalahana maneho hevitra ankalalahana momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy tahotra sy henatra mihitsy izy ao anatin’izany, dia io indray koa miseho vatana amin’izany amin’ny fandraràna ny fampahafantarana am-panajàna nataon’ireo solombavambahoaka voafidy teto an-drenivohitra anatin’ny boriborintany enina izay nikasa hanao tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo teo amin’ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy teo. Manana zo amin’izany ireo depiote ireo ary tokony hanao izany mihitsy sy tsy mila manao fangatahana, fa noraràn’ny prefektiora indray izay atao fitaovana ihany koa fa tsy manana ny maha izy azy.

Tsy mba mahalala menatra

Tsy atao hahagaga ny fihetsik’ireto mihazom-pahefana ireto, satria miharihary fa mbola ao ambadik’izy ireo i Andry Rajoelina, izay tadiavina atao letrezana fotsiny ny ampidirana azy ho kandidà sy hirotsa-kofidiana indray sy holaniana mihitsy. Tsy misy mihitsy ny henatra ao anatin’izany, toa manamarina ny tenin’ny Baiboly hoe “ny tsy marina tsy mba mahalala henatra”. Manambara zavatra be dia be izany ary manampy fanazavana ny saina hamaritra tsara ny zava-misy eto amin’ny firenena. Mihevitra ve ny Praiministra Ntsay Christian sy ny forongony, fa izao ataony izao no hahafahana mizotra ara-dalàna mankany amin’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Izy ireo anefa tsy ao anaty fanajàna ny lalàna, ary manaporofo izany isan’andro ireo mpahay lalàna sy olom-pirenena na ireo kandidà mivondrona. Ao anaty tany tsy tan-dalàna i Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy ny mpamakafaka politika mitaky ny fampiharana ny lalàna sy ny tany tan-dalàna. Raha efa ratsy no mikarakara zavatra, azo inoana ve fa hamoaka zavatra tsara? Tsia no valiny. Mikononkonona mafy manao amin’ny fomba rehetra izay hahatratrarany ny tanjony ireo vondron’olom-bitsy ireo, izay toy ny “mafià” mihitsy, hanageja ny Malagasy tsy ho afa-mihetsika. Ataony avokoa izay azony atao rehetra na efa mibirioka tanteraka aza sy mifanohitra amin’ny soatoavina malagasy sy ny fanajàna ny fiandrianam-pirenena. Fivarotan-tanindrazana tsotra izao amin’ny Frantsay no kasain’izy ireo atao, ka ho lasa ambongadiny ity firenena ity. Tsy azo ekena velively izany ary toherin’ny Malagasy tia tanindrazana sy saropiaro amin’ity firenena ity.