MIKOROPAKA NY FOZA

Hita ho misara-kevitra ireo olona ao an-dapa.
Efa ho rendrika ny sambo, izay vao misy mahatsapa
Fa tsy nety, tena diso ilay nampiasa herisetra.
Izay no tena nampitroatra ny mpisehatra rehetra!

Hita ho misara-kevitra ireo olona ao an-dapa,
Noho ny ataon’ilay mpibaiko izay nandeha niraparapa,
Ka nampiasa didy jadona ary teny tsy voalanja.
Izay no tena pitik’afo nampipoaka irony vanja!

Io dia taona vitsy lasa no efa tokony ho naato,
F’efa maimbo ka nolavin’ireo dimy niampy zato.
Saingy mainka koa namahatra amin’ny toerana tsy azy,
Na dia tokony hiala sy hangorona bagazy!

Io no hita ho tena fositra raha ny tsapa sy tsikaritra.
Izay nataony rehetra rehetra, tsisy iray mba nahafinaritra.
Saingy misy mpanambola miaro hatrany ny hadalany,
Noho ny bizina maloto tiany tsy hanam-piafaràny!

Ny filoha anankiroa mpitarika ny antenimiera,
Efa tena nibaradaka sy nanolotra tsikera.
Saingy i Vendrana sy Donto tena mbola manantena
Fa fihodinana iray dia ho azony ny fandresena!

…Nofinofy aloha ny azy ka ezahiny haely,
Saingy raha ny zava-misy dia tsy izany velively,
F’efa maty pasipaoro raha ny olon’ny mapara,
Ka tsy mendrika intsony hitantana an’i Gasikara!

TSIMIMALO (09-10-23)