RY BEBAOTY SY BEBASY !

Mpamono olona ianareo sa tena mpiaro anay vahoaka
Ry bebaoty sy bebasy nobaikoina sy navoaka?
Raha ny azo sary mantsy dia tsy izany velively
F’ianareo no tena mpiaro ireo jiolahy sy tontakely!

Ny mpangalatra, mpandroba ireo haren’ny firenena,
Ireo indray no tsara aro raha ny sary izay jerena.
Fa ireo vahoaka tsotra no niharan’ny ankaso
Ka dia nampiasana baomba izay mandatsa-dranomaso!

Mpamono olona ianareo sa tena mpiaro anay vahoaka?
Samy mbola eto isika k’aoka kely tsisy hitsoaka,
Fa valio an-kitsimpo ho ren’ny olona mitazana:
Mbola gasy ve ‘nareo sy mbola « ho an’ny tanindrazana »?

Raha izay sy tena izay ilay tao anaty fianianana,
Dia jereo ireo vahoaka efa ho fatin-kanoanana.
‘Ndeha tadiavo izay hampisy izany tena fiadanana,
Fa i Madagasikara, firenena iaraha-manana!

IRINA HO TAFITA (08-10-23)