Mitaraina ny mponina any Mangily – Fefen’ny mpanambola ny moron-dranomasina an’ny be sy ny maro

Aly

Mitaraina ireo mponina any Mangily kaominina Belalanda distrikan’i Toliara faharoa faritra Atsimo Andrefana amin’izao fotoana, satria fefen’ny mpanambola ny moron-dranomasina, izay tokony ho an’ny be sy ny maro, sy azon’ny tokony ho azon’ny be sy ny maro ampiasaina.

Araka ny fitarainan’ny mponina any amin’ity faritra be mpizahatany mitsidika ity:

”tsy voahaja ny pas géométrique, izanjy hoe ny 25 m miala ny sisin’ny Ranomasina. Voafefy ny mpanambola hatramin’ny Ranomasina, tsy misy afaka andehanana rehefa miakatra ny Ranomasina.
Ny Topo sy ny Domaine ve no namaritra anjambany sa ny Kominina no tsy manao ny asany, ka manao izay tiany atao ny tompona Hotel mpanambola.”