Fandikan-dalàna sy fanamparam-pahefana – Nitombo 24 ora indray ny fitazonana an’i Rina eny Fiadanana

Stefa

Mitohy ihany ny fandikan-dalàna sy fanamparam-pahefana, ataon’ny fitondrana mitondra amin’izao fotoana dia ny governemanta iaraha-mitantana, tarihan’ny Praiministra Ntsay Christian. Nitombo 24 ora indray ny fitazonana an’i Rina Randriamasinoro, sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) eny amin’ny zandary eny Fiadanana, nefa tsy misy ny zavatra tokony hanenjehana azy, mahakasika ny hetsika an-dalambe tarihan’ny vondron’ireo kandidà 11.

Fandikan-dalàna sy Fanaparam-pahefana izany mbola fitazonana an’i Rina izany hoy ny depiote avy amin’ny mpanohitra, nanamafy izany koa ny birao politikan’ny antoko. Nanambara ihany koa ny mpisolovava azy, Me Eloi Ratefimahefamijoro fa: “nohalavaina 24 ora ny fitazonana azy ao Fiadanana. Mbola tazonina eny amin’ny zandary Fiadanana i Rina Randriamasinoro, Sekretera Jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Tsy misy mihitsy ny heloka tokony hitazonana azy.”

Raha ny vavao voaray, tsy misy mety mandray ity raharaha Rina Randriamasinoro ity ny ao amin’ny Fitsarana Anosy. Noho izay antony izay, milaza ny rehetra: “avotsory Rina, fa tsy misy ny heloka anenjehana azy.”