KMMR Atsimo Andrefana – Manohana tsy misy fepetra ny hetsiky ny vondron’ny kandidà 11

Stefa

Manohana tsy misy fepetra ny hetsiky ny vondron’ny kandidà 11 eto Antananarivo, ny KMMR : Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, tarihan’ny kolonely Rabe Jules, ahitana an’i Me Helisoa, Tsiania,…

Nilaza izy ireo tamin’ny fanambarana nataony tany Toliara fa: “manohana ny hetsika rehetra ataon’ny vondron’ny kandidà izay atao eny amin’ny 13 mey ny Komity Miaradia amin’i Marc Ravalomanana aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Lavinay hatrany ny firotsahan-kofidian’i Andry Rajoelina ary takianay ihany koa ny hanovana ny HCC sy ny CENI, mba hametrahana fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy io.”