ATSAHARO NY HERISETRA !

Atsaharo ny herisetra sy ny fisamborana olona,
Fa izany no vao mainka hampangotraka ny tolona.
Aoka ho fantatra mazava, ireny anie ka pitikafo
Tena mety hitera-doza sady hovidiana lafo!

Atsaharo ny herisetra sy karazana hasomparana:
Fandratrana, fanimbana izay toa lasa fahazarana.
Tsy ny fomba toy izany, izay ambany dia ambany,
No hampitsahatra ny hetsika sy hampilamina ny tany!

Atsaharo ny herisetra mety tena handripaka aina.
Ra miraraka, tsarovy fa tsy vitavita maina.
Efa maro ireo mpitondra no nizotra ho amin’izany,
Fa ny vokany dia tokana: tonga tamin’ny fianjeràny!

Atsaharo ny herisetra sy ireo ramatahora,
Fa ireny no lelafo hampiempo ny jabora.
Ny vahoaka no an-damosin’ireo iraikambinifolo,
Ka tsy resinao mpitondra mbola te hanao bontolo!

…Atsaharo ny herisetra sy karazan-tsakantsakana,
Fa ny anay tsarovy tsara: tongotra efa mby an-dakana.
Tena vonona izahay no sady gasy efa mifoha,
Ka tsy vazaha fa tena gasy no hany ekenay ho filoha!

DADAN’i ZINA (03-10-23)