Falalahana ho an’i Rajoelina Vazaha, fanapenambava ho an’ireo kandidà Malagasy 11!

Lanzelo

Tsy mitovy zo i Andry Rajoelina Vazaha miohatra amin’ireo kandidà 11 amin’ny fifidianana ho filohampirenena. Miandany tanteraka any amin’i Andry Vazaha ny governemanta Ntsay, ampiana zandary be galona misotro ronono eo amin’ny fifehezana ny herim-pamoretana. Tsy misy antenaina raha ny hoe hiova fo tampoka izany ity fitondrana fozaorana ity ka hiverina amin’ny ara-dalàna sy fanajana ny zon’ny rehetra haneho hevitra malalaka sy tsy hitanila. Efa lasa lavitra loatra izy ireo amin’ny tsy fanarahan-dalàna ka manao vy very ny ainy, na dia mibaribary eo imason’izao tontolo izao aza ny heloka ataony.

Efa herinandro maromaro izay ity fitondrana ity no tsy mety manome halalana ny vondron’ireo kandidà 11 haneho hevitra malalaka, na dia efa ao anaty toerana voafefy aza, noho ny tahotra asetrin’ny tsy fanarahan-dalàna rehetra ataony. I Andry Rajoelina anefa etsy akaiky afaka mamory olona an-kalalahana no sady ankalamanjana, tsy voasakantsakan’ny mpitandro filaminana.

Ny vondron’ireo kandidà 11 etsy akaiky dia nanao diabe sy nikasa ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey dia ireny fanalikana nataon’ny herim-pamoretana ireny, amin’ny famonoana, fisamborana, fandefasana baomba mandatsa-dranomaso, fanimbana fitaovana. Tsy hihemotra izy ireo manoloana ny tsy rariny na dia misy ny tsindry sy ramatahora, ary vonona hijoro hatrany izy ireo ho an’ny firenenana sy ho an’ny taranaka.

Tsy ho entin’i Rajoelina Vazaha instony i Madagasikara.