Rina Randriamasinoro – Nosamborin’ny herim-pamoretan’ny fitondrana

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny fihazakazaky ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, naneho ny heviny mahakasika an’izany ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Rina Randriamasinoro, ny antoko TIM izay manohana ny hetsik’ireo vondron’ny kandidà miisa 11.

Nilaza izay fa:’’mbola ekenao ve ny fahantrana lalina mahazo ny vahoaka malagasy ankehitriny, vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanondranana ny harem-pirenena antsokosoko? Tsy i Madagasikara irery no nandalo krizy ara-pahasalamana sy ara-ekonomika, fa maninona no i Madagasikara irery no mihemotra any amin’ny farany firenena mahantra indrindra eran-tany?

Mbola zakanao ve ny mijery ny manodidina anao tsy manan-kialofana, tsy manan-kotafiana ary noana tsy misy sakafo? Aza mijery ny tenanao sy ny ankohonanao manokana fotsiny ihany, fa jereo ireo mpiara-belona aminao, izay tsy mandady harona tsy misy sarangotina fa miandry anao. Samia mandinika ny zava-misy,’’ hoy ihany ity mpanao politika tanora ity.

Araka ny vaovao farany omaly, nosamborin’ireo herim-pamoretan’ny fitondrana teo Andohan’Analakely ny sekretera jeneramlin’ny TIM, Rina Randriamasinoro.