Collectif des Elus TIM – Nanofana mahakasika ny fifidianana tany Antsirabe

Isambilo

Na eo aeza ny hetsiky ny vondron’ny kandidà miisa 11 nanomboka ny faran’ny herinandro teo, miomana hatrany amin’ny fifidianana ihany koa ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) amin’ny alalan’ireo olom-boafidiny, na ny Collectif des Elus TIM, ivondronan’ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny kaominina avy amin’ny antoko manerana ny Nosy.

Nanatanteraka fiofanana mahakasika ny fifidianana tany Antsirabe faritra Vakinankaratra izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Fiofanana niarahana tamin’ny biraon’ny Collectif des Elus, notarihan’ny filohany Christian Andrianjafy, sy ireo birao miaraka aminy, notronin’ireo Solombavambahoaka tao antoerana. Ny dinika natao dia ny fandraisana andraikitra mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana hatao eto amintsika.