Famoretana vahoaka – Sahy niseho vatana indray ireo fositra eto amin’ny firenena

Sôh’son

Nahemotr’i Ntsay Christian sy ny OMC ho gisitra bebe kokoa hatrany miohatra amin’ireo firenena maneran-tany, amin’ny lasiny demôkrasia indray i Madagasikara. Ny tena marina izao, dia tsy misy demôkrasia izany intsony eto Madagasikara, fa hery famoretan’ny tafi-panjakana tarihan’ny Praiministra Ntsay Christian izay iaingan’ny baiko no manjaka. Atao amin’ny fomba rehetra izay hamoretana ny vahoaka tsy hitraka hijery sy hahalala ny marina tokony hataony amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pireneny.

Raha afa-maneho hevitra malalaka ny vahoaka any amin’ny firenen-kafa, tsy haka lavitra ny any Eôrôpa sy ireo tany efa mandroso lavitra amin’izany demôkrasia izany isika, fa ny etsy akaiky antsika no raisina dia ny ao amin’ny Nosy Maorisy fotsiny ohatra, ilaozany lavitra isika ankehitriny, dia ny eto amintsika miha lavitra dia lavitra izany, indrindra amin’izao fotoana izao. Tsy niahotra mihitsy ireo olona ireo nampihàtra hery famoretana sy nanao herisetra mahery vaika mihitsy tamin’ny vahoaka Malagasy omaly, nanao herisetra tamin’ny filohampirenena teo aloha miisa 2 sy filohampanjakana teo aloha iray. Ny tena loza dia misy vondron’olona ampiasain’ireo mpanohitra izay tolona ataon’ny vahoaka mitaky ny fampiharana ny tany tan-dalàna sy fiverenana amin’ny fanajàna ny Lalampanorenana hihantsy sy hihetraketraka amin’ireo mpitolona. Namporisihina mihitsy aza ireo vondron’olona ireo ary nampiandrasina kendry tohina hanakorontanana ny hetsika. Mazava loatra fa tena fomba mamohehitra no ataon’ireo mihazom-pahefana ireo amin’ny mpiray tanindrazana aminy. Efa tsy miditra ao an-tsain’ireo tafi-panjakana ireo intsony aloha izany hoe mpiray tanindrazana izany, fa amin’izy ireo dia tsy mahalala afa-tsy baiko irery ihany toy ny tsy olombelona manana saina fa “robot”, na sonegaly nampiasain’ny mpanjanatany frantsay tamin’ny fotoan’andro aza tsy toy izany.

Efa gisitra i Madagasikara amin’ny lafiny fandrosoana maneran-tany ary mahantra indrindra noho ny fampahantrana natao azy, fa mbola nahemotra indray koa izao amin’ny fahalalahana maneho hevitra malalaka. Fositra sy fahavalom-pirenena izay olona mampihemotra ny firenena toy izany.