Vondron’ireo kandidà 11 – Tsy rariny intsony ity, voahitsakitsaka tanteraka ny zo fototra maneho hevitra

Andry Tsiavalona

Tsirariny intsony ity, voahitsakitsaka tanteraka ny zo fototra ahafahana maneho hevitra an-kalalahana eto amintsika, raha ny zava-nitranga omaly teny Mahamasina, Ambohidahy ary Analakely, tamin’ny nanakanan’ny herim-pamoretan’ny mpitondra ny hetsik’ireo vondron’ny kandidà miisa 11. Hita fa tena mandrovitsihy faramparany ireo mpitondra niaraka tamin’ny filoha teo aloha vazaha, Andry Rajoelina.

“Ny tahotra no lehibe indrindra”! no teny filamatra ho an’i Andry Nirina Rajoelina satria olompirenena frantsay izy eto Madagasikara ka tsy manana fahefana mibaiko ny foloalindahy intsony. Tsy hiaro teratany frantsay koa ny foloalindahy Malagasy satria dia ny fiandrianam-pirenena mihitsy no tsy misy hasiny intsony ho azy ireo. Torak’izany koa ireo andrim-panjakana: Voamieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) izay nanao printy ny biletà tokana misy an’i Andry Nirina Rajoelina izay tsy Malagasy intsony, sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) izay ninia nandray ny antontan-taratasin’i Andry Nirina Rajoelina izay fantany tsara ary misy porofo kanefa mampihàtra ny lalàna no andraikiny fa tsy mandika izany ary ny filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Volalohany (TPI) izay nanome ny taratasy maha Malagasy an’i Andry Nirina Rajoelina.

Nolavin’ny vondron’ny Kandidà iraikambinifolo ireo fandikan-dalàna ireo ka niantso ny Mpitondra Fivavahana (FFKM), ny olompirenena tsy an-kanavaka, ireo fikambanana isan-tokony (Firaisamonim-pirenena, Sendika sns,…) hanohitra izany ka teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ny fotoana omaly Alatsinainy, notarihan’ny Vondron’ny kandidà, ny Loholona sy ny Solombavambahoaka ary olom-boafidy. Rehefa nojerena teny amin’ny manodidina ny Kianjan’ny 13 Mey omaly vao maraina dia feno herim-pamoretana (gardes indigènes). Tsy teny ihany fa hatreny Isoraka, Petite Vitesse, nanoloana ny “Select Hôtel”, teny Soarano ka tsy azo nidirana ny Araben’ny Fahaleovantena sy teo an-kianja. Amin’ny fotoana nanoratana dia nifamotoana teny Mahamasina anefa ireo Vondron’ny Kandidà, ireo Loholona sy ireo Solombavambahoaka nanao samboady ary ny olompirenena tia Tanindrazana marobe. Vaky ny sakana voalohany teny Mahamasina noho ny hamaroan’ny vahoaka, ka nizotra niakatra an’Analakely ny rehetra. Nisy koa ny vahoaka nifamotoana teny amin’ny toerana miditra ny afovoan-tanàna rehetra. Tamin’ny 12 ora latsaka fahefany dia nipoapoaka ny baomba lakrimozena teny amin’ny tonelina Ambohidahy, kanefa tsy nihemotra ny mpitarika sy ny vahoaka marobe. Raha ny fampitàna mivantana dia naratra tamin’izany ny kandidà Razafinjoelina Tahiana, Andry Raobelina ary Rivo Rakotovao sy olona hafa. Na izany na tsy izany dia mbola mifandresy lahatra amin’ny herim-pamoretana ireo kandidà sy olomboafidy.

Raha izao tranga izao dia very hasina tanteraka ny Fiandrianam-pirenena satria miaro teratany frantsay, ny natao hiaro ny Tanindrazana sy ny Vahoaka Malagasy sy ny fananany. Ny Malagasy sy ny frantsay miaraka amin’ireo “gardes indigènes” izany izao no mifanandrina toy ny tamin’ny ady nataon’ireo tia Tanindrazana: Menalamba, Jiny, Vvs, Mdrm ho fanaotana ny Firenena teo ambany vahohon’ny mpanjanaka frantsay. Andry Nirina Rajoelina dia tsy afaka hiaro ny Fiandrianam-pirenena Malagasy mihitsy satria Lafrantsa no tsy maintsy tompoiny amin’ny maha frantsay azy. Ireo izay mbola manaiky baikony ihany koa dia mpamadika Tanindrazana ary tsy afaka hiara-monina amin’ny Malagasy intsony satria ny tombontsoan’ny vazaha frantsay no arovany. Tena miverina mampiasa hery araka ny nolazainy tokoa Andry Nirina Rajoelina, sady tsy manaiky ny fanakorontanana ka mandrangaranga ny fitaovam-piadiana nampidiriny an-tsokosoko ny taona 2018. Fantatry ny eny amin’ny fiarahamonina eny ireo “herim-pamoretana” miaro vazaha ireo ka hisitri-belona aiza rehefa lasa hody any amin’ny taniny ireo narovany?

Marina fa nomena vola be ireto “mpiaro vazaha” ireto kanefa tsy ho ampy saran-dàlana hoentina manaraka vazaha izany rehefa tonga tokoa ny tokoa. Tsy maintsy ao an-tsaina mandrakariva fa olon-tsotra sady tsy Malagasy mitovy amin’ny rehetra Andry Nirina Rajoelina ka tsy manana fahefana hibaiko na iza na iza sady izy rahateo no fototry ny loza rehetra mihàtra amin’ny Vahoaka Malagasy sy ny Firenena izao koa “Tany sarobidy sy masina tokoa ity Madagasikara ity, koa mitsangana ry Malagasy fa aza manaiky andevozina vazaha intsony”.