EDITO 3 Oktobra – Tsy hampisy fitoniana ny famoretan’ny OMC – Filohampanjakana sy kandidà filoha naratra

Sôh’son

Tsy hampisy fitoniana eto amin’ny firenena intsony ny famoretana nataon’ny OMC (Organe Mixte de Conception) omaly teny Ambohidahy sy Analakely ireny. Anisan’ny tranga nampalahelo tamin’izany dia faharatran’ny filohampanjakana teo aloha Rivo Rakotovao, sy ny kandidà filoha Andry Raobelina. Mihevitra ve ny Praiministra Ntsay Christian sy ny OMC, fa hampilamina ny toe-draharaham-pirenena ny fanagejana nataon’ny tafi-panjakana ny Araben’ny fahaleovantena sy Analakely ary hatreny Mahamasina omaly alatsinainy?

Rezimanta iray manontolo mihitsy no naidina omaly ary nandaniam-bola be amina miliara mihitsy. Volam-bahoaka izany nolaniana amin’izao fotsiny izao izany, nefa vahoaka ihany no nogejaina natao herisetra sy famoretana. Tsy rariny sy tsy hitsiny izany, ary indrindra tsy fahamarinana miharihary indray no ataon’izy ireo, satria ny fiandrianam-pirenena mihitsy no ikimpiany ho voahosihosy tanteraka. Ny Praiministra sy ny lehiben’ny OMC, ireo mpanohana be fahatany an’i Andry Rajoelina, ny HCC sy ny CENI, no minia manosihosy ny fiandrianam-pirenena sy mivarotra tanindrazana tsotra izao. Na iza na iza manohana ny firotsahan’i Andry Rajoelina, saribakoly frantsay, dia miaraka aminy mivarotra tanindrazana sy mpamadika tanindrazana. Tsy misy adihevitra izany n’inona n’inona ny fanazavana ataon’ireo. Fantatry ny vahoaka maro an’isa izany famadihana tanindrazana izany, ka tsy hanaiky velively ny vahoaka malagasy saropiaro amin’ny tanindrazany sy ny fiandrianam-pireneny. Rehefa miditra ao anatin’ny sain’ny vahoaka izany, tsy misy afaka hanàla izany intsony ao aminy. Tsy hampilamina ny firenena mihitsy izany n’inona n’inona atao na atao letrezana tohizan-dry Ntsay Christian sy ny namany ihany aza ny hizorana mankany amin’ny fifidianana sy ny fanatanterahana izany. Izany hoe tsy hilamina velively mihitsy ny firenena, tsy hisy fitoniana, raha mbola mitohy ihany izao ataony izao, indrindra misy maratra sy voasambotra: naratra I Rivo Rakotovao sy Andry Raobelina araka ny voalaza teo ary voasambotra ny sekretera jeneralin’ny TIM, Rina Randriamasinoro.

Ny vahoaka aza ninian-dRajoelina hisara-bazana sy hifamono tamin’ny teny nataony ny alahady alina, ka tsy misy antenaina intsony ny momba azy. Ary iaraha-miombon-kevitra ny nambaran’ny namana mpamakafaka tamin’ny fandaharana manokana Angaredona, ny alahady alina ihany koa, fa ny sahy mampiady ny vahoaka malagasy dia ny Frantsay, ary Rajoelina ao anatiny. Efa teny nataony iny ka azonina amin’ny teniny izy sy ho raketina ho tantaram-pirenena ho fantatry ny taranaka fara aman-dimby. Ireo lehibe mpitarika ny tafi-panjakana manao izao famoretana ny vahoaka mitaky ny fampiharana ny tany tan-dalàna sy ny Lalampanorenena izao ihany koa dia tsy maintsy fantarina sy ho raketina an-tsary sy tantara, satria sahy mandratra sy mandatsaka rà malagasy ary mamono azy, toy ny nataon’ny miaramila frantsay mpanjanatany fahiny ihany, ka zary fahavalom-pirenena.

Raha tsy taitra sy tsy mihetsika amin’izao zava-misy izao isika Malagasy dia izay ny amintsika, hoy i Dama. Fotoana fahatongavan-tsaina hoan’ny Malagasy, raha mihemotra amin’izao, dia ny vahiny sy olon’ny frantsay, saribakoly frantsay, no hanjaka eto manomboka izao. Tsy azon’ny saina ekena marindrano izany, raha mbola Malagasy tia tanindrazana marina sy saropiaro amin’ity Nosy ity sy ny fiandrianam-pirenena.