TSY HIJANONA NY HETSIKA

Tsisy zavatra madio fa efa resaka maloto
No ataon-dry Rainilainga sy ny ekipa jiolahimboto.
Ao ireo tena tsy azoazony ka samboriny avy hatrany.
Misy kosa ireo ratrainy, toy izay niseho androany.

Olo-manana fisainana tena ambany toy izany,
No mikiry ny hitondra sy hanohy ny hadalany.
Famitahana vahoaka, fampiasana herim-basy,
Izany sisa tetikadiny hamoretana ny gasy!

Amin’ny mpifaninana aminy, misy tena atahorany,
Ka ireny no finganiny sy ataony izay hihemorany.
Nefa ireny koa tsy kivy fa ny rany mihamafana,
Ka vao mainka vonona izy ny handray ny fiaingana!

Vita indray aloha ny androany, ny hetsika dia tsy hitsahatra
Raha mbola Rainilainga no mikiry ny hamahatra.
Tsy vazaha sy ny ompikeliny no ekena mbola hibahana,
Fa ny gasy efa nifidy hiaina anaty fahafahana!

IRINA ho TAFITA (02-10-23)