Vondron’ny kandidà 11 – 13 mey amin’ny alatsinainy, Mahamasina sy Ambohidahy omaly

Sôh’son

Nanao diabe nankeny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina omaly, ireo vondron’ny kandidà filohampirenena miisa 11, na tsy tafiditra aza izy ireo satria nosakanan’ny mpitandro filaminana, azo lazaina fa fahombiazana izany hetsika izany. Tsy nisy akory ny lalao hand-ball tao amin’ity Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina ity, fa fialana bala no nataon’ny tompon’andraikitry ny Tafita miandraikitra ity toerana ity.

Olona marobe no nanara-dia azy ireo teny an-toerana. Rehefa tsy tafiditra tao Mahamasina izy ireo, niverina nihazo an’Ambohidahy sy Ambohijatovo, mbola tsy nisy eritreritra ny ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey aloha omaly io, fa raha ny fanambarana heno dia ny alatsinainy izao ny fotoana eny Analakely raha toa ka mbola avela hirotsaka ny kandidà vazaha; raha toa ka tsy hovana ny CENI; raha toa ka tsy hovaina ny governemanta misy ankehitriny izay fitondram-panjakana mitanila; ary raha toa ka tsy hapetraka ny CES: Tribonaly Manokana Hisahana ny Fifidianana. Rehefa tsy tanteraka ireo dia eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny rehetra amin’ny alatsinainy ho avy izao.

Fa ankoatra izany, « tsy mahalala menatra, olona 11 dia atahorana », hoy ny antsoantson’ireo olom-pirenena maro teny Analakely niantso ireo tafi-panjakana nibahana ny araben’ny fahaleovantena tokony ho nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro omaly. Dia gaga sy sorena ny vahoaka nahita ny fihetsik’ireo tafi-panjakana nisakana ireo fiara tsy hamakivaky ny lalana nanomboka teo Andohan’Analakely mihazo eny amin’ny tsangambaton-dRalaimongo iny. Rezimanta be izao mihitsy mantsy no nampiasaina ho famoretana indray. Dia mitombina tokoa ilay teny tery aloha nataon’ny olom-pirenena hoe “tsy mahalala menatra”, satria tena manao fihetsika manaraka baikom-bazaha marina. Kanefa, tsiahivina tamin’ny andron-dRalaimongo ny taona 1929, tao anaty fanjanahantany mihitsy, no namakivakian’ny vahoaka Malagasy niantsoantso “Fahaleovantena! Fahaleovantena”, tsy nisy miaramilam-panjanatany, tsy nisy sonegaly nanakana azy ireo anefa tamin’izany. Izao, 63 taona niverenan’ny fahaleovantena, Miaramila malagasy manakana vahoaka malagasy maneho hevitra manohitra fa tsy mila vazaha frantsay hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Dia inona izany no ilazana hamaritana ireto mpanakana vahoaka malagasy ireto tsy haneho hevitra an-dalambe? Inona no iantsoan’ny vahoaka malagasy azy ireo hatramin’ny lehibeny mpibaiko sy mpaniraka azy? Izao sisa no niafaran’ny firenena malagasy, rehefa olona tsy natao hitondra no mitana fahefana. Leson-dratsy hatrany no aseho sy tadiavina hitoetra eto hamoretana ilay vahoaka malagasy mbola mandala aloha hatreto ny filaminana, noho ny fampahantrana natao azy.

Rezimanta no ampiasaina hamoretana vahoaka amin’ny resaka politika fiarovan-tseza sy tombontsoa manokana, ny asan-jiolahy sy dahalo anefa na an-drenivohitra na ambanivohitra tsy voafehy mihitsy ary tsy vita ny andraikitra nomena azy. Toy ny mahery an-tanàna fotsiny ireto eto an-drenivohitra ireto, toy ilay tsy tononina fa samy mahalala…