Fifidianana filohampirenena – Ravalo, Siteny, Hajo ary Tahina hatreto no nanafatra helikôptera

Isambilo

Ny kandidà filoha Marc Ravalomanana, N°05, na Ravalo, ny kandidà Siteny Randrianasoloniako, Hajo Andrianainarivelo ary ny kandidà Tahina Razafinjoelina hatreto no kandidà ho filohampirenena nanafatra helikôptera hampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filohampirenena hatao eto amintsika ny 9 novambra ho avy izao. Io no nambaran’ny tale jeneralin’ny ACM: Aviation Civile de Madagasikara Gervais Damasy, nitafa tamin’ny mpanao gazety afak’omaly teny Tsimbazaza.

Nisy ny nangataka 4, fa 2 ihany aloha no nekena hoy izy, mba ho fisorohana ny mety loza hitranga raha sanatria ka maro loatra ny angidimby hifamoivoy amin’ny lanitr’i Madagasikara amin’ny propagandy ho avy io. Roa volana mialoha, no tokony hanaovana fangatahana amin’ny fampidirana helikôptera izay, efa dila anefa ny fotoana, ka nisy ny fepetra manokana noraisin’ny ACM, namelana ireo hangataka hanao izany.

Hatreto aloha izany, kandidà 4 amin’ny 13 no nanao izay fangatahana hampiasa angidimby amin’ny fampielezan-kevitra izay, heverina fa ho avy ihany koa ny hafa. Ny fifidianana ihany hoy ny rehetra no vahaolana amin’izao krizy eto amin’ny firenena izao, tokony ho marina sy madio ary mangarahara anefa izany.