Miezaka mifampiaro ireo olon-dRajoelina, mpamadika tanindrazana

Sôh’son

Amin’ny fotoana niandrasana azy hiteny sy hitondrana fanazavana hoan’ny vahoaka, tsy niteny, fa izao vao miseho tampotampoka ry Eric Rakotoarisoa, filohan’ny Hcc teo aloha, sy ny filohan’ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa, tsy niteny. Efa tsy fotoana ilàna ny fanazavan’izy ireo intsony izao satria mihazakazaka ny fotoana. Karazan’ny fandanian’andro ny rehetra aza no ataon’izy ireo.

Fanadiovan-tena, fiarovan-tena, fanamboamboaran-dresaka mba tsy ilazana hoe familian-tsaina ny vahoaka tsy hibanjina ny zava-misy marina amin’ny raharaham-pirenena. Efa fotoana fandraisana fanapahan-kevitra haingana ary ao anaty fotoana fohy sy voafetra izao, fa tsy misy ilàna azy ireo intsony, satria miharo tetika maizina no ataon’izy ireo. Ny tetika maizina katsahina fatratra ho tanteraka eto dia ny hamerenana an’i Andry Rajoelina, izay frantsay, ho eo amin’ny fitondrana indray. Olona izay mamela ny mpitondra frantsay hanagorobaka hatrany ny harem-pirenena sarobidy eto amin’ity firenena ity. Tetika maloto izay famotehana firenena tsotra izao, famarotana ny tanindrazana amin’ny mpitondra frantsay sy ireo vahiny miaraka aminy toy ireo teratany karana sasantsasany eto.

Famadihana tanindrazana tsotra izao izany fikasana izany, ary izany no tadiavina mbola hahazo vahana eto, fa ailika kosa ireo olom-pirenena tia tanindrazana saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena. Ireto farany aza dia tadiavin’ireo olom-bitsy mpanagorobaka ny harem-pirenena ireo, lazaina ho mpanakorontana indray, izany no resaka aely amin’ny haino vaky jery mpiara-dia sy mpanohana azy ireo.

Miharihary fa efa miseho vantana mihitsy ireo vondron’olom-bitsy mpiaro tombontsoa manokana sy seza amin’izao fotoana izao manao ny fomba rehetra iarovan-tena na dia efa hitam-poko hitam-pirenena izao aza, fa lalan-diso tanteraka no tadiavin’izy ireo hitondrana ny firenena. Amin’ny zoro iray hafa dia azo ambara mahitsy ho « mafià » mihitsy izy ireo, ary iaraha-mahalala tsara ny fomba ratsy fiasan’izany. Dia ireny miseho ireny, ohatra, ny ataony amin’ny filohan’ny Antoko Politika Madio. Efa nisy ny hafa voany toy izany ary nofaiziny mihitsy toa ireo efa any am-ponja ankehitriny. Izay manelingelina azy mafy amin’ny tombontsoany sy ny sezany dia itadiavany hevitra izay hamelezana azy.

Fantatry ny vahoaka tsara izany fomba ratsy izany, ary famitahana sy fihatsarambelatsihy fotsiny ny teny hoe “fitiavana no lehibe indrindra”, fa ny mifanohitra amin’izany no tena fomba fiheverany. Tsy atao hahagaga mihitsy raha toa ka tsy niraika tamin’ny fampiraisan-kina ny vahoaka malagasy manontolo ny fitondrana Rajoelina sy ny forongony. Ny politika fototra ampihariny dia politika maloton’ny mpitondra frantsay ihany dia ny “zarazarao hanjakana”, ailika izay tsy manara-dia sy tsy misolelaka azy.