Mbola manjavozavo ny fifidianana amin’ny 9 novambra

Beharo

Hita sy tsapa fa atositosika tokoa ny ondry botry hoy ny fitenenana mahita ireo manodidina an-dRajoelina, manao di-doha mafy hoy ny rehetra manohana azy amin’ny tsy rariny izay misy sy mitranga ho enti-miatrika ny fifidianana. Ny feo re dia milaza fa manahirana ny eny Mahamasina omaly, sy ny fahitana ireo mpanohana an-dRajoelina tonga teny amin’ny Hotel Colbert, milaza fa mbola tsy fantatra ny ho avin’ny fifidianana ny 9 novambra ho avy izao. Olo-malaza efa nihinana sy nanahirana teto fahiny ireo omaly ireo, mbola mitsapa sao mba mahazo anjara raha tafaverina eo i Boaikely, nefa toa efa ho nofinofy izany sisa, rehefa nametra-pialana Rajoelina ny 9 septambra lasa teo, midika izany fa tsy ho tafaverina eo intsony ny tenany.

Mijaly ny vahoaka hoy ny vaovao azo etsy sy eroa, tapaka tontolo andro ny rano, ny jiro zara raha mandeha, ny vidin-tsakafo efa tsy takatra intsony, fa dia ireo làlana mba vita no hifampiderana, nefa tsy 100% akory ny fahavitany. Ny asa fampandrosoana dia efa tanjon’ireo kandida 11 hirotsaka amin’izany, fa ny HCC sy ny Ceni koa dia efa mahakivy ny rehetra, ary nahagaga ihany ny nahare ny filohan’ny Antenimierandoholona nilaza indray, fa handray ny andraikiny izy nefa efa voasongon’ny Praiminisitra sy ny governemata, ka azo ambara fa maizimaizina tokoa ny zava-misy ankehitriny.

Betsaka ireo sakantsakana mianjady hoy ireo tsy mankatoa Rajoelina, ka na ny kara-pifidianana aza dia efa misy tsy rariny ny natao taminy, ao ireo anarana diso, ao ireo mahazo karatra 3, ao ireo fianakaviana iray trano, olona 2 fotsiny no mbola nahazo, fa ny 5 hafa mbola tsy nahazo anjara raha niarahana natao tamin’ny fanisam-bahoaka ny karany. Misy fanaterana karatra isan-trano tsy mazava, mitombo ny anaram-pokontany ka ny mba fanirian’ny maro dia ny hoe: omeo izay andraikitra sahaza azy ny Ffkm, ny fiangonana zandriny, silamo, sns… ka ny fiangonana ao amin’ny fokontany no miandraikitra ny mpifidy sy mpanisa vato, ary manambatra izany ao amin’ny firaisana misy azy avy, vao mandefa any amin’ny foibe mpanisa vato farany, ka ho hita tsara izay fahamarinana, ary mba ho fokontany tena manana ny maha izy azy tokoa, fa tsy peta-toko manara-penitra sanatria no misy.