TSY SAHY MISEHO MASOANDRO INTSONY ?

Lasa tsy nanao veloma, tonga tsy niteniteny.
Inona no itsarana ny olona tahaka ireny?
Tsy olona nanao ny marina ka mahina amin’ny ratsy atao,
Izay fa tsisy ankoatr’izay hoy ‘reo mpanara-baovao!

Tena zary tsy ao an-tsainy ny haneho fahavononana,
Ka hiaraka hidinika amin’ireo filoham-piangonana,
Fa ny heviny dia tsotra: ny hideradera tena.
Izay ilay tsisy kalitao, izay ilay tsy ampy fahendrena!

Lasa tsy nanao veloma, tonga tsy niteniteny.
Hay dia tena Rainitetaka, tsy araka ny vavabeny!
Lasa mampatahotra azy, na ny mason’ny vahoaka
Na ireo mpanao gazety izay miketrika ampamoaka!

…Ka dia asa, rahoviana vao ho sahy hiseho mazava,
Ity ilay efa kilasiana ho toy ny jiolahy mpandrava,
Dia ilay efa tena niaiky fa vazaha an-taratasy,
Nefa mbola te hisisika ho filohan’ny malagasy!

DADAN’i RIANA (28-09-23)