EDITO 30 Septambra – Andry Rajoelina – Lohalaharana tamin’ny tsy fanajàna lalàmpanorenana

Helisoa

Efa tsy eo amin’ny fitondràna intsony i Andry Rajoelina fa ny zavatra hita dia toa mbola voabaikony ireo mitondra ankehitriny. Na governemanta io na ny HCC tompon’andraikitra amin’ny fitsaràna tsy azo ivalozana. Raha ny fantatra aloha nandritra ny fitondràny dia marobe ireo tsy fanajàna ny lalampanorenana. Ohatra fotsiny amin’izany ny fiantsoany ny solombavambahoaka teny amin’ny Arena tamin’ny fotoana nanaovan’ny depiote fitsipaham-pitokisana ny governemanta tamin’ny fotoan’androny, izay raha ny fantatra dia depiote miisa 105 no nanao sonia tamin’izany. Vao nantsoin’i Andry Rajoelina teny amin’ny Arena foiben-toeran’ny TGV ireto farany dia nitsefotra ny fitsipaham-pitokisana saika hatao. Izany dia tsy fanajàn’i Andry Rajoelina ny lalampanorenana satria tsy azon’ny filohampirenena atao ny mamory solombavambahoaka, an-taratasy ihany no azon’izy ireo ifandraisana. Teo koa ny nanendreny ny governora miisa 23, izay tsy ao anaty lalampanorenana ny momba azy ireo.

Ankehitriny, efa tsy mitondra intsony i Andry Rajoelina dia mbola miseho lany ihany ny tsy fanajana lalàna tamin’ny nanendrena ny governemanta iraisana entin’i Ntsay Christian itantana ny firenena, izay mbola Rajoelina Andry no mibaiko sy tompon’izy ireo. Manamarina izany ny tsy nanomezana toerana ny kandida miisa 11 hanao tatitra amin’ny vahoaka tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena tao Mahamasina, raha afaka nanao izany ny TGV nanolotra an’i Andry Rajoelina vazaha ho kandida indray. Ny fantatra dia tsy hanaiky lembenana manoloana ny tsy fanajàna ny lalàna ny kandida miisa 11, fa hiady mba hisian’ny fanajàna lalàna eto amin’ny firenena, hisian’ny fifidianana madio eken’ny rehetra. Andrasan’ny maro ny tohin’ny hetsika izay natao omaly teny Mahamasina, satria ny vahoaka koa raha ny heno teny an-toerana dia efa leo mpitondra tsy manaja lalampanorenana sy mampijaly vahoaka ary tofoka amin’ny mpitondra tranon-dainga.