AOKA HAZAVA

‘Zahay tsy matahotra izay fifidianana
F’eo no hitsapana ary koa hanadinana,
Saingy tsy ekena raha ny fanomanana
No efa ahitana tsy fahamarinana.

Tena tsy mety raha toa ny mpitsara
No efa mikimpy ary koa mitongilana,
Na ny komity izay mikarakara
No hita sahady ho manao zara vilana.

Tena tsy ekena raha mpitari-bato
No hoe vilam-bava sy be tasitasy,
Ary heno fa niofo ho vazaha tato ho ato
Kanefa mikiry ho filohan’ny gasy!

…Ka aoka hazava aminareo ry foza:
Malain-kanan-dratsy ny gasy madio,
Fa raha mbola azo atao ny misoroka loza
Dia mbola fotoanan’izany ny anio.

Fanampin’izany, ireo olom-piangonana,
Miezaka ny hampiray sy hampitraka,
K’aleo halavirina ny fifandonana,
Fahamarinana no aoka hanjaka.

Tsarovy, tsarovy, ny marina ihany
No afaka hanandratra ny firenena.
Ny ankoatran’izay, fitapitaka hatrany
Sy tetika hoentina handrebirebena!

DADAN’i ZINA (29-09-23)