HO ANAREO 11

Manasa anareo re ry raikambinifolo
Mba tena hivondrona sy hiray hina.
Tohero ny jadona sy ny bontolo,
Meteza hijoro fa aza mangina.

‘Nareo sisa toky sy fanantenana,
Ka tena entanina mba hiara-miainga.
Avia mirosoa ary andeha hofafana
Tsy ho ao amin’ny lisitra ilay Rainilainga!

Manasa anareo re ry raikambinifolo,
Ny mandeha misingana tena atsaharo.
Meteza mba hiara-mirona daholo
Ka aoka tsy hisy mba hiala amin’ny maro!

Tohero izay mety ho fandrebirebena,
Fadio dia fadio ny manaiky lembenana.
Saribakolimbazaha tsy azo ekena,
Fa gasy ihany hoy ny lalàm-panorenana!

TSIMIMALO (28-09-23)