Kandidà miisa 11 – Nihaona tamin’ny FFKM sy ny PNUD, mihazakazaka ny raharaham-pirenena

Isambilo

Mihazakazaka ny raharaham-pirenena eto amintsika ankehitriny, tao aorian’ny fihaonana tamin’ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara teny Ampandrana, nihaona tamin’ny iraka avy amin’ny Firenena Mikambana sy ny PNUD: Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana teny Andraharo omaly, ireo vondron’ny kandidà miisa 11.

Nanao fanambarana koa izy ireo omaly: “Tsy mitady korontana akory izahay fa mitady ny fahamarinana, mba hisian’ny fitoniana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.”, hoy ireo kandidà 11. Mazava ny resaka fa tsy hoe fahatahorana ny fifidianana no ataon’izy ireo fa mila mazava tsara ny fitsipi-dalao. Ny hita hatreto, mihenjan-droa ny tady, satria tsy namaly ny antson’ny FFKM ny kandidà Andry Rajoelina ny talata teo, nefa eto Antananarivo ihany ny tenany.