Hetsiky ny kandidà 11 ny zoma izao – Miharihary ny fanagejana ny firenena ataon’ny mpitondra

Sôh’son

Ao anaty geja maro samihafa ny firenena malagasy amin’izao fotoana izao. Vao mainka niha mafy izany sy niharihary, miditra amin’izao volon’andron’ny fifidianana izao. Miseho izany amin’ny lafiny politika, ny amin’ny fihetsik’ireo rantsamangaika isan-tsokajiny mifamatotra amin’ny andrim-panjakana na ny fitondrana. Samy manidy ny fahafahana malalaka ho an’ny olom-pirenena tsy haneho ny fomba fahitany sy ny fiheverany amin’ny raharaha politika misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Anisan’ny nanidy lalana amin’izany, izay niarahan’ny vahoaka nahita sy nandre, ny nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenena (HCC), ny amin’ny fandavana ny fitoriana mba napetraka teny aminy, hatramin’ny an’ireo kandidà miombon-kevitra. Efa nahiana hatrany am-piandohana io fihetsiny io, nanomboka tamin’ny fametrahana ireo fitoriana nataona antoko politika samihafa. Mbola hitohy izany fihetsika sy fanapahan-kevitra avy ao aminy izany amin’ireo fitoriana samihafa izay hapetraka eny, ary tokony ho fantatra sy ao an-tsaina izany, fa tsy ilaina hanontaniana na mbola hialà-nenina ihany. Tsy hisy antenaina amin’io andrim-panjakana iray io raha amin’izao resaka alohan’ny fifidianana izao, na mandritra sy aorian’ny fifidianana raha hanao fitarainana. Ny Hcc taloha ihany no Hcc ankehitriny “azo raisina, fa tsy mitombina”.

Geja iray lehibe mamatotra ny firenena iny, fa any amin’ireo sehatra hafa ny manaraka. Anisan’izany ny eny anivon’ny prefektiora sy ny hafa, toy izay nataon’ny tomponandraikitry ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena tamin’ity herinandro ity. Ny lazaina ho mpitandro filaminana efa iaraha-mahalala sy mahita isan’andro ny fihetsiny manoloana ny amin’ny atao hoe demôkrasia. Tsy izy ireo velively hatreto no azo ianteheran’ny vahoaka amin’ny hipetrahany sy hahamarin-toerana izany demôkrasia izany. Iaraha-mahita mazava tsara ny tsy famelan’izy ireo malalaka ny olom-pirenena haneho hevitra eny ankalamanjana, fa ny hany fantany ny baiko avy amin’ny lehibeny ihany. Hatramin’ny fikambanan’ny mpanjifa aza tsy navela fa noterena niparitaka sy nody. Tsy atao hahagaga raha mahita ireny famoretana nanjo ny avy amin’ny fanoherana na ireo kandidà teny Mandrimena Andoharanofotsy ireny. Ary mbola hitohy io, fa tsy hifarana akory, satria arakaraka ny voa no hahafantarana ny hazo.

Santionany ihany ireo amin’ny geja mamatotra ny firenena, ankoatra ny geja ataona fikambanana “ratsy” isian’ireo olom-bitsy manao hatrany ho tantely afa-drakotra ny harem-pirenena hangoronany harena. Ataony hatrany izay hamatorana ny vahoaka sy ny firenena amin’ny endrika sy fomba samihafa, na am-pilaminana na an-kerisetra, mba tsy ho afa-mihetsika. Ny tanjony dia ny tsy hahatongavan-tsain’ny vahoaka, fa handohalika sy hitanondrika lava tsy hitraka hahalala ny marina momba ny zava-misy eto amin’ny fireneny. Tsy maintsy hisy fetrany ihany anefa izany rehetra izany fa miandry ny fotoanany, satria masina ny Tanindrazana.