FFKM – Atsaharo ny fifampihantsiana, tsy milamina ny firenena

Nangonin’Isambilo

Nanao valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara omaly maraina, taorian’ny fifampiresahana sy fifampidinihana tamin’ireo kandidà sy ny ankolafin-kery politika nontosaina afak’omaly talata 26 septambra ary naharitra ora 3 tao Ampandrana. Mahereza sy mijoroa amin’ny fahamarinana no hafatra nampitain’ny FFKM.

Nanentana sy nanao antso avo hoan’ny Malagasy ny FFKM. “Atsaharo ny fifampihantsiana amin’ny endriny rehetra, misy zavatra tsy milamina eto amin’ny Firenena satria hita mivazavaza amin’ny haino aman-jery ny ankolafin-kery. Tsy mbola nisy ny resaka fifanarahana politika nandritra ny fihaonana tamin’ireo kandidà 12.”, hoy ny fanazavan’ny FFKM.

“Momba ny fahamarinana ve isika ?”, hoy ny FFKM, raha nanontanian’ny mpanao gazety ho momba ny fitondrana sa ny mpanohitra izy ireo. Arak’izany, mametraka izy ireo fa ray aman-dreny eto amin’ny firenena ary tsy momba ny atsy na ny aroa. Miantso ny rehetra hitondra am-bavaka ny Firenena rahateo ny FFKM amin’izao olana politika, toekarena ary sosialy misy eto amin’ny firenena izao.