Fanohanana ny filoha Ravalomanana N°05 – Tafajoro ny biraon’ny KMMR any Ankazobe

Isambilo

Tafajoro ny alatsinainy teo tany Ankazobe ny KMMR: Komity Manohana ny filoha Marc Ravalomanana, laharana faha-5: N°05 amin’ny biletà tokana, amin’ny fifidianana filohampirenena hatao eto amintsika ny 9 novambra ho avy izao. Lany ho filoha mpitarika ny KMMR any an-toerana, Pasitera Ravelonanosy Mamitiana; tafatsangana nandritra izany koa ny birao hitantana ity komity ho fampandaniana ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana ity, any amin’ny faritra Vonizongo iny, toy izany koa ireo vaomiera isan-tsokajiny.

Niatrika ny fotoana tany an-toerana ny avy amin’ny KMMR foibe, nahitana an’Andriamatoa Jean Pierre Rakotoarivony, ny depiote Ramboasalama Emilien, voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-4 eto an-drenivohitra. Maro ireo olona niatrika ny fifidianana tao Ankazobe tamin’io fotoana io, avy amin’ireo kaominina miisa 15 mandrafitra ny distrika. Nahatonga solontena ireo fikambanana maro samihafa toy ny fikambanana Vehivavy Miezaka, ny fikambanana Fanantenana, ny fikambanana AMI, ny fikambanana Manohisoa, ny fikambanana Lovasoa, ny fikambanana Vehivavy Miray Hina, teo koa ireo olon-tsotra, ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena any Ankazobe,…

Mbola misokatra amin’ny rehetra tsy anavahana ny KMMR Ankazobe, hoy ny filohany, Pasitera Ravelonanosy Mamitiana. Kinendrin’izy ireo, ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana hitondra indray ny firenena.