EDITO 28 Septambra – 5 taona nampijaliana ny Malagasy – Tsy ho ela, haneho ny safidiny izy ireo

Helisoa

Fotoana vitsy sisa dia ho tonga ny daty hanehoan’ny Malagasy ny safidiny, amin’ny hitondra ny tany sy firenena indray taorian’ny 5 taona nitondràn’i Andry Rajoelina mpanongam-panjakàna ny taona 2009. Ela nijaliana loatra ny Malagasy nandritra izay 5 taona nitondràn’ity farany izay. Fahantrana lalina tao anaty horohoro tanteraka no niainana isan’andro. Tsy afaka maneho hevitra fa avy hatrany dia any amponja no hiafaràna. Nipoapoaka ny fampanantenana poak’aty nataon’i Andry Rajoelina, fa ho any amin’ny paradisa i Madagasikara rehefa tonga eo amin’ny fitondràna ny tenany, kanjo ny mifanohitra amin’izany no hita ankehitriny. Andeha ny fifidianana ary amin’ny 9 novambra no daty tokony hanaovana izany. Marobe anefa no mametram-panontaniana amin’io fifidianana io. Ny fikambanan’ireo kandida miisa 11 miezaka manao ny fomba rehetra, mba hisian’ny fifidianana madio hanjakan’ny fahamarinana. Raha ny zavatra hita mantsy dia HCC tsy manaraka ny lalàna, fa hita mitongilana be any amin’i Andry Rajoelina filoha teo aloha ny mpikambana ao. Tsy azo raisina avokoa izay fitoriana apetraky ny fikambanana maro ary farany teo ny fitoriana napetraky ny kandida miisa 11 vao notsipahan’ity andrim-panjakàna malaza amin’ny: azo raisina fa tsy mitombina ity. Manao ny fomba rehetra mba hisian’ny fifidianana madio tsy hanjakan’ny hosoka ny kandida miisa 11. Etsy andaniny anefa i Andry Rajoelina na ny ray amandreny ampanahy FFKM aza no miantso ny kandida hifampidinika dia tsy tonga ny tenany. Mihevitra ny maro, fa efa tsy manana ahiahy i Andry Rajoelina satria olony avokoa ny ankabeazan’ireo mitantana ny fifidianana ankehitriny. Rahampitso zoma izao no hanao tatitra ho an’ny vahoaka ny kandida miisa 11, ka ho hita eo ny mety ho tohin’ny zavatra rehetra, fa ny Malagasy aloha dia mila fifidianana madio tsy hanjakan’ny hosoka intsony sady leo ny fahantrana sy ny fampijaliana azy.