TSY IRINA NY HIVERENANY

Mandalo vaninandro sarotra ny fiainam-pirenena.
Indro anefa Rainilainga lasa nampiadan-tena,
Ka namonjy ilay voalaza fa hoe firenena tiany
Sy efa hoe nanakalozany ny zon’ny tany niaviany.

Asa raha mipaika ny ora izay hisian’ny fifidianana,
Raha ho sahy hiverina izy ka hanao V amin’ny tanana,
F’efa be no tonga saina ireo vahoaka malagasy,
Ary vonona hanilika ity vazaha taratasy!

Toa tsy amakiany loha ny gasy sy ny fahantrany,
Fa aleony miala sasatra any ampita lavitra any.
Miandriandry toromarika amin’iretsy be giradiny,
Sy avy amin’ireo mpitsara izay voavidiny ambongadiny!

…Tena asa raha hiverina na hoe kaontin’ny nandositra,
Ity ilay raikalahy mpanimba sady kilasiana ho fositra,
Fa hatreto aloha ny maro dia maniry sy mivavaka,
Mba tsy hiverina eto intsony ity mpamarina any an-davaka!

DADAN’i RIANA (23-09-23)