Kaominina Antehiroka – Notorian’ny lefitra voalohany any amin’ny Bianco ny ben’ny tanàna

Niaina

Nisaraka ny lalana eo amin’ny be tanàna sy ny lefitra voalohany, ao amin’ny kaominina Antehiroka distrikan’Ambohidratrimo. Nesorin’ny ben’ny tanàna tamin’ny toerany Ramatoa lefitra voalohany, nilaza ity farany fa tsy ara-drariny ny fanesorana azy ary nitory ny ben’ny tanàna any amin’ny Bianco izy, noho ireo fandikan-dalàna misy ao amin’ny kaominina.

Ny faran’ny herinandro teo, nitafa tamin’ny mpanao gazety Ramatoa lefitra voalohan’ny kaominina teo aloha, Randrianarivelo Toky Harilanto, nitaraina fa voaroaka tamin’ny tsy rariny. Noroahin’ny ben’ny tanàna tsy ho lefitra voalohany tao amin’ny kaominina intsony ity farany, nanomboka ny 12 septambra 2023 lasa teo. Anton’ny fandroahana, ny tsy fanekena hanao sonia taratasy izay nambaran-dRamatoa Toky Harilanto, fa hosoka.

Ankoatra izay, dia nilaza ho vavolombelona nanatri-maso ireo fandikan-dalàna maromaro nitranga tao amin’ny kaominina ihany koa ity farany. Ary nanitrikitrika fa tsy nanaiky ny hiray tsikombakomba tamin’izany, ka izao niafara tamin’ny fandroahana izao. Nilaza fa manana porofo mikasika an’ireo fandikan-dalàna nitranga tao amin’ny kaominina ireo izy ary efa nametraka fitarainana teny anivon’ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) mikasika izany, ny alatsinainy 18 septambra lasa teo.

Ankehitriny, « matahotra ny aiko, ny ain’ny ankohonako ary ny ain’ny fianakaviako aho amin’izao fijoroako izao kanefa vonona hijoro hatramin’ny farany », hoy izy, teo anatrehan’ny mpanao gazety. Manaiky ity farany fa tena fahefan’ny ben’ny tanàna ny mandroaka azy saingy mahatsapa ity farany, fa tamin’ny tsy rariny no nandroahana azy. Raha vaoaroaka izy ny 12 septambra, ny androtr’iny ihany, dia efa tonga ny mpisolo toerana, na dia efa nanao « opposition » aza, araka ny nambarany. Ankoatra ny maha-lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna azy dia nomarihiny fa izy no anisan’ny mpamolavola ny tetikasan’ny kaominina tao an-toerana hatramin’izay. Mbola nitaky ny tambin-karamany tsy voaray nandritra ny 19 volana tao amin’ny kaominina koa ny tenany.

Niezaka niantso ny ben’ny tanàna hitondra fanazavana mikasika ity raharaha ity ny mpanao gazety maromaro tonga teny an-toerana. Nandray ny antso ity farany ary niantso ny mpanao gazety ho tonga teny amin’ny biraon’ny kaominina Antehiroka. Rehefa tonga teny anefa ny mpano gazety maromaro, dia nanambara ireo tomponandraikitra, fa tsy ao ny ben’ny tanàna ary tsy afaka mandray mpanao gazety ilay lefitry ny ben’ny tanàna mpisolo toerana vaovao tao amin’ny kaominina. Andrasana arak’izany ny ho tohin’ity raharaha ity.