EDITO 26 Septambra – Firaisankinan’ny kandidà 11 – Fihaonana goavana ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena ny zoma izao

Beharo

Hanao fihaonana goavana ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ny zoma izao, ny Firaisankinan’ireo kandidà miisa 11, nanambara ny mpitondra tenin’izy ireo omaly, ny kandidà Hajo Andrianainarivelo fa: “hamory ireo mpiara-dia aminay ao amin’ny “Palais des Sports” Mahamasina izahay Kandida ny Zoma ho avy izao. Androany dia napetraka tety amin’ny Prefektioran’Antananarivo ny taratasy fangatahana alalana hanatanteraka izany.”

Mametraka fanantenana amin’ny maro izao fivondronan’izy ireo izao.

Hita ankehitriny fa ny fivondronan’ ny kandida sy ny solombavambahoaka ary ireo manam-pahefana samihafa, administratera sivily,… no hery sy tanjaka ho an’ny firenena izay ahitana mponina marobe voafahan-dalitra. Tafiditra ao anaty hantsana lalina tokoa ny vahoaka nefa mila entanina koa mba hanatanteraka ny anjarany amin’ny fotoam-pifidianana, ka hifidy izay mety sy mahasoa ary azo antoka.

Ny mibahana ny sain’ny maro dia ny hoe: ny eo ihany no eo, tsy azo inoana ny voka-pifidianana satria ny olon-dRajoelina avokoa ny ankamaroan’ireo eo amin’ny Ceni, Hcc sy ny sisa, miampy ny fitondrana vonjy maika izay efa napetraka tamin’ny tsy rariny teo. Ny tokin’aina farany dia ny hoe: raha nilaza ny Ceni fa hampiofana mpanaramaso akaiky ny fifidianana avy amin’ny olon-drehetra tsy miankina amin’ny kandida na ny antoko misy azy ireny, dia mbola manamafy ny rehetra fa omeo ny Ffkm sy ny fiangonana zandriny ny raharaha toy ireny, mba hahafahan’izy ireo mandray ny andraikiny sy ny fahamarinana manodidina izany manerana ny biraom-pifidianana sy ny eny amin’ny Ceni foibe rehefa manisa vato.

Ny toky farany hitan’ny vahoaka, dia ny fahitana ireo kandida 11 na ireo solontenany, miara-dalana manatona ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Ffkm, ny filohan’ny Hcc, ny fiarahamonim-pirenena,… maneho firaisankina manohitra ny tsy rariny amin’ny lalàna mipetraka sy hampiharina, antoka hirosoana amin’izany fifidianana izany sy fanehoana amin-dRajoelina ninia ho vazaha Frantsay, fa tsy matahotra azy ireo kandida 11 hafa, ary mba tsy ho heno ny hoe tsy maintsy ny anay hatrany no tafaverina eo, nefa misy ny fivondronan’ireo kandida hafa ary misy ihany koa ny angaredon’ny solombavambahoaka, dia efa mamporisika ny vahoaka hanao ny adidiny ihany koa amin’ny 9 novambra, ka mahatonga azy ireo hilaza fa aleo hifidy. Tokony homena fahalalahana ny kandida tsirairay hampiasa ny haino amanjerim-panjakana, ary indrindra ny fampiasana angidimby malalaka rehefa hanao fampielezan-kevitra.